PolitikaSongadim-baovao
MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA: Tompon’andraikitra ambony maro nasondrotra grady
Nisy ny fampakarana grady teo anivon’ny Polisim-pirenena, araka ny didim-panjakana laharana 2025-109. Voalohany tamin’izany ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Rakotoarimanana Herilala, izay “Contrôleur Général de Police” teo aloha, nakarina ho “Inspecteur Général de Police”. Nasondrotra grady ho « Contrôleur Général de Police » ny tompon’andraikitra vitsivitsy, toa an-dRasoamananjara Pierrette Marie Françoise, Rasoamiaramanana Gilberte, ary Tombohasy Christian. Farany, nasondrotra grady ho “Commissaire Divisionnaire de Police”, Rakotomanga Josué Sébastien, Gerverin Raelison, Randrianirina Manahy, ary Randriamahasoa Pascal. Izy ireo, izay misy mitàna andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ary koa tompon’andraikitra amina Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka amina faritra vitsivitsy. Taorian’ny fametrahana Ambany faneva ireo andiany indray mihira « MIAHY » teny amin’ny ENSP Ivato, no nampahafantarana izao fisondrotana grady izao, omaly. Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, no nanatanteraka izany, teny an-toerana.
Stan R.



