PolitikaSongadim-baovao

MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY: Naverina hanao raharaha andavanandro ny Minisitra teo aloha

Niteraka resabe nanomboka tamin’ny fotoana nanendrena azy ny alahady teo, nitohy omaly tontolo, ny mahakasika an’Andriamatoa Brice Randrianasolo izay notendrena hisahana ny toeran’ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika. Ny tenany izay voalaza fa naloto dosie tamina raharaha fisolokiana goavana, teto an-toerana sy tany ampita. Raha ny loharanom-baovao mari-pototra dia ny Minisitra teo aloha, aloha, no naverina hanao ny raharaha andavanandro ao amin’ity Minisitera ity ankehitriny.

Tsy afaka niditra tao amin’ny birao tokony hiasany Andriamatoa Brice Randrianasolo, izay voatendry ho Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, na dia efa nahavita ny fifamindram-pahefana tamin’ny Minisitra teo aloha aza, afak’omaly, araka ny fanazavana azo avy tamina mpiasa avy eo anivon’ity Minisitera ity ihany. Ny loharanom-baovao hafa indray no nahafantarana fa naato tamin’ny andraikitra nanendrena azy mihitsy ity tomponandraikitra ity, ary naverina hanao ny asa fampandehanana ny raharaha andavanandro ny Minisitra teo aloha, mandrapiandry ny fanapahan-kevitra vaovao momba azy. Araka izany, ny Minisitra teo aloha Fidiniavo Ravokatra aloha no misahana vonjimaika ny raharaha andavandro eo anivon’ity Minisitera ity, raha ny loharanom-baovao mari-pototra azonay.

Marihina fa efa mihodina tanteraka any amin’ny tambajotran-tseratsera sosialy ny mahakasika ity olona vao notendrena ho Minisitra ny alahady teo ity. Nisy mihitsy aza ireo Gazety mpiseho isanandro sasany no efa niresaka ity vaovao ity omaly. Hatramin’ny omaly, ora nanoratanay, dia tsy mbola nisy fanambarana ofisialy nandiso ireo vaovao rehetra efa nivoaka ireo. Raha ny fanazavana azo avy tamina loharanom-baovao mari-pototra anefa dia efa nesorina tamin’ity tomponandraikitra ity ny fiara ampiasaina amin’ny maha minisitra azy, sy ny mpiambina. Andrasana, noho izany, ny fampahafantarana ofisialy ny fanapahan-kevitra momba azy.

Raharaha fisolokiana

Raha araka ireo vaovao miparitaka amin’ny tambajotra sosialy, sy tamin’ny gazety mpiseho isanandro omaly, dia voalaza ho “Mpisoloky fanta-daza” ity olona vao notendrena ho Minisitra ity.  Milaza ny tenany fa Profesora ary mampianatra mahakasika ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, raha ny fanazavan’ireo voasoloky, ny taona 2018. Nanangana fikambanana mihitsy Andriamatoa Brice Randrianasolo nentiny anaovana fisolokiana, ka vola mitentina 250 000Euros no efa lasany  tamin’ireo fikambanana maro nosolokiany tany Frantsa, araka ny voalaza hatrany. Ny Vola izay azony dia lazaina fa entina hampandehanana ny asa sosialy izay ataony, sy hanampiana ny malagasy sahirana. Raha ireo vaovao niparitaka, izay naneho horonantsary fanadihadiana tamin’ny taona 2018, dia efa mibaby trosa amin’ny olona maro ity olona ity. “Mody asehony amin’ireo manana trosa aminy fa manao zavatra ny tenany”, hoy ny fanazavana. Tanora maro ihany koa no voasolokiny tamin’ny filazana fa Maitre de Conférence sy consultant ny tenany, ary nakany hatrany amin’ny 350 000 ariary isan’olona, raha ny fanazavana hatrany.

Fermer