PolitikaSongadim-baovao

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA: Nahatontosa ny iraka nampanaovina azy i Lalatiana Rakotondrazafy

Nifarana omaly ny fitantanan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, teo anivon’ny Governenemanta, rehefa notazona izany departemanta izany tao anatin’ny 4 taona sy 8 volana ary 17 andro, ny tenany. Betsaka ny asa vita, ary azo ambara ho fahombiazana tanteraka ny asa rehetra nosahanina. Nanapa-kevitra ny hiroso amin’ny fampielezan-kevitra hampandaniana ny Kandidà Andry Rajoelina kosa ny tenany manomboka anio.

Tontosa omaly maraina tetsy amin’ny birao fiasany Anosy ny fanaovantsonia ny taratasy fametraham-pialan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Nadio, hoy Ramatoa Minisitra ny nandraisany ny fitantanana ny Minisitera ary madio ihany koa ny nivoahany tamin’ny varavaran’ny biraony omaly. Tsiahivina fa noho ny fanapahan-keviny handray anjara amin’ny fampielezan-kevitra manomboka anio amin’ny maha mpitarika Antoko politika azy no antony nametrahany fialana. Nisaotra manokana ireo mpiara-miasa rehetra taminy izy nandritra ny 4 taona sy 8 volana ary 17 andro nitantanany io departemanta io, tamin’ny fananganan-tsaina farany niarahany tamin’izy ireo teny Anosy.

Ny alahady alina teo dia nisy ny fandaharana manokana novokarin’ny teo anivon’ny Televiziona malagasy (TVM) namintinana ireo asa rehetra vitan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, nandritra izay efa-taona sy sivy volana latsaka kely izay. Marihina fa sambany tao anatin’ity Fitondram-panjakana ity no nanatambarana ny departemanta minisiterialy roa, dia ny misahana ny Serasera, sy ny misahana ny Kolontsaina, tao anatina Minisitera iray. Voaporofo fa afaka niaraka tsara ireo nandritra izay fotoana lavalava izay, satria tsy nisy natao anjorombala na ireo asa rehetra mifandraika amin’ny tontolon’ny Serasera, na ny teo amin’ny tontolon’ny Kolontsaina. Nambaran-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy fa anisan’ny tsiambaratelon’ny fahombiazany ny fananany mpiara-miasa mitovy faharesen-dahatra aminy. Matetika, hoy izy, ny tenany foana no voatonona sy fantatry ny olona, kanefa ao ambadika dia misy mpiara-miasa izay tena miasa sy mifofotra manao ireny zava-bita maro nanerana ny Nosy ireny, izay nankasitrahany manokana.

Fahalalahan’ny Asa fanaovan-gazety

Sarotra tokoa no hamintina ny zava-bitan’ity departemanta minisiterialy ity anatina lahatsoratra iray, saingy kosa raha ho an’ny tontolon’ny Serasera manokana dia isan’ny asa sy dingana goavana nataon’ny Ekipa notarihin-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny serasera 2016-029, izay lasa 2020-006, izay mahakasika indrindra ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Fanavaozana natao ny fanafoanana ny famonjana mpanao gazety raha sendra manao fahadisoana amin’ny asany. Tsiahivina tokoa mantsy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, talohan’ny naha Minisitra azy dia isan’ireo nitarika ny tolona niady ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ka nitana ny teny nomeny izy rehefa tonga teo amin’ny fitantanana ny Minisitera.

Rovan’i Madagasikara, Tagnamaro

Ho an’ny tontolon’ny Kolontsaina kosa indray, dia nambaran-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy fa isan’ny nanamarika azy manokana ny fahavitan’ny Rovan’i Madagasikara. Nazavainy fa tena betsaka ny fotoana laniny sy ny ekipa notarihiny tamin’ny fanarenana io toerana io, izay lasa Mozea ankehitriny. Betsaka ihany koa anefa ireo fanakianana sy fanenjehana nahazo azy tao anatin’izany. Saingy rehefa tena vita ny asa fanarenana rehetra, dia nirodorodo indray ny olona maro liana sy nijery ny zava-misy sy fanavaozana natao teny an-toerana. Ankoatra izay, ny fanatanterahana ny Tagnamaro ihany koa dia anisan’ny fandaharanasa goavana teo anivon’ny Minisitera, izay nivoizana ny fiarahamientana, ny firaisankina, ny fikolokoloana ny fananana iombonana, sy ny fifanomezan-tanana. Tena nahavitana nanova zavatra maro teto amin’ny firenena ny fanatanterahana ny Tagnamaro, araka ny fanazavana. “Misy toerana tsy nahita lalana hatrizay nisiany fa lasa misy lalana rehefa natao ny Tagnamaro”, hoy ny fanazavana.

Fanenjehana

Fanontaniana manitikitika ny maro hatrany raha vao miresaka an-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ny hoe “ahoana ny fomba iainany sy iatrehany ireo fanenjehana sy fanakianana maro mahakasika azy, saika ho isan’andro?” Raha tsiahivina tokoa dia i Lalatiana Rakotondrazafy no anisan’ny voalohany mahazo fanakianana be indrindra tamin’ireo Minisitra mpikambana tao amin’ny Governemanta. Fanenjehana saika tsy mifantoka amin’ny asa sahaniny eto amin’ny firenena, fa mahakasika fiainana manokana sy “halako bika tsy tiako tarehy” ny hankamaroany. Mbola nohamafisiny, ny alahady teo indray izany, fa tsy misy fiantraikany aminy mihitsy ireny fanenjehana atao azy ireny. Notsindriany fa rehefa nisafidy ny hanao politika ny tenany dia efa nahafantatra, ary efa nivonona ny amin’ny karazana fanenjehana toy ireny. Noresahiny manokana koa fa betsaka ny olona no tsy nahazo ny anjara andraikiny tao amin’ny Governemanta, amin’ny maha mpitondra tenin’ny Governemanta azy. Tsy hoe ny departemanta minisiterialy rehetra no itsabahako, hoy izy, fa rehefa zavatra noresahina na notapahina teo anivon’ny Governemanta dia adidiko ny mitondra fanazavana mifandraika amin’izany amin’ny vahoaka.

Ny Fanoratana.

Fermer