KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA : Nihaona tamin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika

Isany olana niainan’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika efa an-taonany maro ny firongatry ny fanaovana hosoka. Anisan’ny lahadinika tamin’ny fihaonana teo amin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika sy ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fijerena ny vahaolana tokony haroso manoloana izany. Efa misy hoy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, Francis Razafiarison, ny paikady napetraka entina hanasokajiana ny vahaolana aroso. Manana andraikitra goavana ao anatin’izany fanaraha-maso amin’ny fanaovana hosoka izay ny OMDA sy ny BAP na ny Brigade Anti-Piratage. Marihina fa mahavoasazy enimbolana hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina ny fanaovana hosoka, ary handoavana lamandy hatramin’ny 5 tapitrisa ariary ihany koa. Mbola hitohy ny fihainoana ny hetahetan’ireo mpisehatra ireo ao anatin’ny andro maromaro mba ahafahana mamoaka fehin-kevitra entina hanatsarana ny seha-pikatrohana iantseheran’ireo mpisehatra tsy anakanavaka ireo. Tontosa omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fihaonana teo amin’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika sy ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Fermer