PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA: Vola 672 tapitrisa Ar voahodinkodina, mpiasa 6 nalefa eny Antanimora

Mpiasa miisa enina ao amin’ny Sampandraharaha manome an’ireo fandaniana mifandray amin’ny fisotroandronono na (SODP) eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no naiditra am-ponja eny Antanimora rehefa voasaringotra tamin’ny raharaha fanodinkodinam-bola mitentina 672 Tapitrisa Ariary, tao anatin’ny dimy taona.

Nanomboka tany amin’ny taona 2020 no nisiana kolikoly avolenta sy fanodinkodinam-bola tamin’ny resaka fisotroan-dronono tao amin’ny sampandraharaha manome an’ireo fandaniana mifandray amin’ny fisotroandronono na ny Service de l’Ordonnancement des Dépenses de Pensions (SODP) eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Dimy taona aty aoriana, tombanana ho efa maherin’ny 672 tapitrisa Ariary no nanjavona teo anivon’ity sampandraharaha ity.

Araka ny angom-baovao teo anivon’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco), dia ny lehiben’ny SODP sy mpiara-miasa aminy miisa dimy ary olona valo hafa nampisandohana handray ireo fisotroandronono ireo no voasaringotra amin’ity raharaha ity. Nisy mantsy ny famoronana fisotroandronono miisa sivy, izay tsy nisy akory, tao anatin’izao raharaha izao.

Ny fomba fiasan’izy ireo, araka ny fanazavan’ny Bianco hatrany, dia mitady olona mahatoky manaiky hanokafana kaonty any amin’ny banky, handraisana ny vola. Aorian’izay dia miditra tsy ara-dalàna ao anatin’ny rindrambaiko “Augure Pension”, ary efa miray tsikombakomba amin’izany ny mpikirakira informatika eo anivon’ity sampandraharaha ity.

Ny 03 Febroary teo moa no nandalo ny Fampanoavana teny amin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (PAC) ireo voarohirohy. Vesatra niampangana azy ireo ny hosoka, fampiasana hosoka, fanaparam-pahefana, mpisitraka fanaparam-pahefana sy fangoronan-karena tsy ara-drariny ary fanodikodinana volam-bahoaka. Andrasana ny tohin’ny raharaha…

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer