PolitikaSongadim-baovao

MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO: “Aoka isika tsy ho lany andro hamaly izay fanaratsiana”

Noho ny tsy fahatomombana teknika teo amin’ny lafiny “Internet” dia nisy fahatarany ora vitsy ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono”, niarahana tamin’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo omaly, izay niainga avy any Ambatondrazaka. Nandeha ihany anefa ny fandaharana ny hariva ka nilazany fa tsy tokony handaniana andro ny famaliana ireo karazana fanaratsiana fa hanao vaindohan-draharaha kosa ny asa.

Fanontaniana napetraky ny mpanao gazety tamin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, nandritra ny fandaharana “Tsy ho tompon-trano mihono” omaly ny mahakasika ny fampiharana ny Demokrasia eto Madagasikara. Raha tsiahivina tokoa dia anisan’ny nanamarika ny andro iraisampirenena ho an’ny Demokrasia isika teto Madagasikara, ny alarobia 15 Septambra 2021. Nandritra ny fandaharana nataony omaly, araka izany, no nanambaran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa efa misy ny ezaka ho fampiharana ny Demokrasia eto Madagasikara ankehitriny. Mifanindran-dalana amin’izany ny fanomezan-danja ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izay anisany tolona notarihiny. Manoloana ireo karazana famoaham-baovao diso sy fitsikerana fiainana manokana niseho tamin’ny orinasa fanaovan-gazety sasantsasany tato ho ato anefa dia nilaza ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa tsy midika ho barahany ny fahalalahana. Na izany aza, nanipika ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, raha nanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ireo raharaha iniana aely ankehitriny, fa tsy tokony ho lany andro hamaly izay olona efa hita fa iharan’ny rarintsaina, ny mpanara-baovao, fa ifantoka amin’ny asa fampandrosoana. Izany rahateo no efa foto-kevitra napetraky ny Filoha Andry Rajoelina, ny amin’ny hoe Valiana amin’ny asa ny fanenjehana sy ny fanaratsiana.

Famotehana ny mpanao gazety ?

Tetsy ankilany, nisy ny fanazavana nentin’ny Minisitra tomponandraikitra mahakasika ireo resabe ataon’ny Biraon’ny Holafitra teo aloha, amin’izao fotoana, indrindra ny filazana fa famotehana ny mpanao gazety ny famindran-toerana ataon’ny Minisitera an’ireo mpiasa eo anivon’ny ORTM. Mila mahalala, hoy izy, ireo mpanakiana fa ny mpanao gazety amin’ny TVM sy RNM dia mpiasam-panjakana. “Mila manaiky fa amin’ny maha mpiasam-panjakana dia manaiky fa hanompo an’I Madagasikara. Tsy Antananarivo irery anefa no Madagasikara”, hoy izy. Notsindriany fa niankina tamin’ny filàna isam-paritra no nanaovana ny famindran-toerana. “Tsy mba avela hisitraka traikefa ve ny any amin’ny Faritra. Ny fanaovana izany ve dia midika ho famotehana?”, hoy ny fanazavana. Tsara ho fantatra fa efa nisy ny fitoriana napetrak’ireo olona nanaovana famindran-toerana ireo saingy tsy nahazo rariny. Nilaza ny Filakevi-panjakana fa ara-dalàna ny nataon’ny Minisitera tamin’ny famindran-toerana.

Ankoatra izay, io fandaharana omaly io ihany koa no nilazan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa mitohy tsy miato ny asa ataon’ny Minisitera izay tantaniny, na eo aza ireo fanenjehana sesilany ataon’ny mpanakiana. Mbola nohamafisin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiministra koa ny fatokisana ny tenany, izay midika fa misy ny vokatra, hoy izy.

Ny Fanoratana.

Fermer