PolitikaSongadim-baovao

MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO: “Tolo-kevitra no ataon’ny “Rothschild & Co”… ny Fanjakana ihany no manapa-kevitra”

Nitondra fanazavana misimisy kokoa mahakasika ilay fanapahankevitry ny Fanjakana izay voaresaka tamin’ny Filankevitry ny Minisitra farany teo ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly. Notsindriany fa tsy misy fiandrianam-pirenena voatohintohina velively ao anatin’ny fiarahamiasa amin’ny “Rothschild & Co”. Tsy mpanapa-kevitra rahateo izy ireo fa mijanona amin’ny fanaovana tolo-kevitra sy tolo-tsaina fotsiny ihany.

“Ny Fanjakana efa tsy manam-bola mbola maka “cabinet” lafo vidy tahaka ireny ihany! Nga tsy mahay na inona na inona mihitsy ny teknisianina malagasy no teknisianina vahiny no nalaina? Aiza ny fiandrianan’ny firenena malagasy?” Ireo tamin’ny ankapobeny no fanehoan-kevitra sy fanontaniana niverimberina taorian’ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia teo izay namoaka ny fanapahankevitry ny Fanjakana, hiara-hiasa amin’ny “Rothschild & Co”, ho mpanolo-tsaina ara-bola.

Tsara tsindriana anefa fa ny “Rothschild & Co” dia “cabinet de conseil”. Izany hoe, mpanolontsaina, manome torohevitra fa tsy mpanapa-kevitra. Tsy ankinina amin’ny “Rothschild & Co” ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fitantanana ny firenena malagasy, na dia eo aza ny fiarahamiasa aminy. Torohevitra no andrasana aminy, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta omaly. “Cabinet” efa manana traikefa eo amin’ny fitadiavana mpampiasa vola vahiny ny “Rothschild & Co” any amin’ny Governemanta sy  Firenena maherin’ny telopolo maneran-tany. “Tsy isika Malagasy irery no miditra amin’izany, fa efa fanaon’ny Governemanta sy firenena andalam-pandrosoana tahaka antsika ny maka azy ireo”, hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy misy fiantraikany amin’ny Tetibolam-panjakana

Tsara marihina fa ny “Rothschild & Co” dia laharana voalohany maneran-tany amin’izay tolo-tsaina ara-bola izay. Tsy misy mihitsy famatsiam-bola alaina aminy. Izy ireo rahateo tsy mpamatsy vola, araka ny fanazavana hatrany. Notsindrian’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa tolo-kevitra no ataony, ary anjaran’ny Fitondram-panjakana sy ny Governemanta ary ny Minisitera tomponandraikitra no manapa-kevitra. Isan’ny soso-kevitra andrasana aminy indrindra ohatra ny mahakasika ireo mpampiasa vola avy any ivelany. Nomarihiny koa fa tsy misy vola na ariary aza mivoaka amin’ny  tetibolan’ny Fanjakana malagasy hanakaramana ny “Rothschild & Co”, fa “mandat” kosa no nomena azy ireo. Ny Fanjakana malagasy dia manome alalana azy ireo hitady mpampiasa vola hiasa eto Madagasikara. Fa rehefa mahita mpampiasa vola kosa izy, ka eken’ny Fanjakana malagasy ny tolo-keviny, dia mahazo vola any amin’ny mpampiasa vola izy. Izany hoe, tsy ny Fanjakana malagasy no mamoaka vola aminy. Izany no midika fa tsy misy fiantraikany mihitsy amin’ny tetibolam-panjakana ity fiarahamiasa ity, ary tsy misy ifandraisany ihany koa amin’ny fiandrianam-pirenena.

Teknisianina malagasy ?

Tsy midika ity fiarahamiasa ity fa tsy mahay na inona na inona ny teknisianina malagasy, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta omaly. Hahazo traikefa amin’ilay “cabinet” àry ireo teknisianina malagasy. “Fantany ny tanjon’ny Fanjakana. Miainga amin’ny PEM, dia iny no entina any amin’ny mpampiasa vola vahiny”, hoy ity tomponandraikitra ity, raha nanazava ny fomba fiasan’ny Cabinet. Fanalefahana ny trosa, fametrahana rafi-pamatsiam-bola amin’ireo tetikasa laharam-pahamehana, ireo no anisany andrasana amin’izao fiarahamiasa izao.

Etsy ankilany, betsaka ireo orinasam-panjakana izay mbola bokan-trosa goavana eto amintsika, raha tsy hilaza afatsy ny orinasa Air Madagascar. Ny Fiarahamiasa amin’ity Cabinet ity noho izany anisany lalana iray hitadiavana mpampiasa vola afaka hanarina ny orinasa.

Ahoana ny hampitomboina ny Fonds Souverain? Afaka manome tolo-kevitra amin’izay hiara-hiasa amin’izany fonds souverain izany ity mpiara-miasa vaovao amin’ny Fanjakana ity. Manolo-tsaina amin’ny fampiakarana ny laharana an’i Madagasikara amin’ireny mpanao ny « indice de compétitivité » isan-karazany ireny koa, indrindra amin’ny resaka toekarena, ny “Rothschild & Co”. Izay fihatsaran’ny endrik’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena izay anefa dia mahatonga ny mpampiasa vola ho tonga eto amintsika. Farany, isan’ny andrasana amin’izao fiarahamiasa izao koa ny soso-kevitra amin’ny fidirana amin’ny tsena iraisampirenena.

Ny Fanoratana.

Fermer