PolitikaSongadim-baovao
MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO: « Tsy izay olona mitety tsena minitra vitsy monja no andeha anome lesona”
Fandatsàna sy famendrofendroana vahoaka ny mody handehanana midina eny an-tsena kanefa tsy mitondra na inona na inona, na dia tapa-panjaitra iray aza, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, nandritra ny kabariny tao Mahajanga. Mazava ho azy fa ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc no resahiny amin’izany. Tsy ny olona efa nitondra teo nandritra ny taona maro, hoy izy, no hilaza indray ankehitriny fa manana vahaolana ho an’ny Firenena.
Tsy olona efa nitondra nandritra ny taona maro teo amin’ny Fitondrana, izay tsy nanao afatsy nanangona tanin’olona sy nanimba ny fandraharahan’izay mety nanelingelina azy no andeha hilaza ankehitriny fa mahita vahaolana ho an’ny vahoaka, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, omaly, nandritra ny lahateniny tao Mahajanga, izay naneho hevitra momba ny fitetezana tsena ataon’ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc ankehitriny. Nambarany fa efa teo izy tsy nahita vahaolana, “tao anatin’ny 7 taona izy tsy nahavita ny vitanao tao anatin’ny 2 taona sy tapany, ka tsy izy no hanome lesona antsika andriamatoa Filoha”, hoy ny fanambarany.
Nahitsy izy niteny fa “tsy izay olona mitety tsena minitra vitsivitsy kely ery mihitsy ka maka sary aparitaka no andeha hanome lesona anao hoe izao no fihainoana an’ny vahoaka, fa ianao andriamatoa Filoha tena mihaino ny vahoaka”. Notsindrian’ity mpitondra tenin’ny Governemanta ity mihitsy fa fandatsàna vahoaka ny mody fidinana eny an-tsena sady mamendrofendro vahoaka kanefa tsy mitondra na dia tapa-panjaitra aza, tsy mitondra na arotava iray aza nefa mbola ato anatin’ny aretina isika. Ny tenany izay nitondra fankaherezana ny Filoha Andry Rajoelina manoloana ireo ezaka rehetra atao ankehitriny ho fampandrosoana ny Firenena. “ Tsy adala ny vahoaka andriamatoa Filoha, fantany ny tena miasa ho an’ny tena tombotsoany Andriamatoa Filoha, ary fantany ny manao kajikajy politika hanakorontanana”, hoy izy.
Tsy nisy sehatra hadino na iray aza tao Boeny
Ho an’i Mahajanga manokana, tao anatin’izay efatra andro izay dia maro ny fotodrafitrasa vita natolotry ny Filoha ho an’ny vahoaka. Nilaza ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa tsy nisy sehatra na dia iray aza adino, na ny fahasalamana na ny fampianarana na ny famoronana asa amin’ny alalan’ny fananganana orinasa, na rano fisotro madio, na fanamboaran-dàlana, na ny tetezana, na ny passerelle fitsangatsanganana, na ny trano mora omena ny fianakaviana antonony, na ny angovo, ary ny serasera sy ny kolontsaina, ny tanora indrindra indrindra. “Sahiko ny milaza fa izany no tena Fampandrosoana, nahavita kilometatra maro ny Filoha, nidina ifotony, nandeha tamin’ny Kaominina na Distrika izay tsy mba nisy nijery am-polotaonany maro”, hoy izy. Ny Filoha Andry Rajoelina izay tsy nandeha an-tanam-polo fa nitondra mandrakariva vahaolana tena ilain’ny vahoaka amin’ny fiainana andavanandro. Ary tsy vitan’ny nitondra vahaolana fotsiny ihany koa, fa mbola nihaino ny hetahetan’ny vahoaka tany amin’ireo toerana rehetra noteteziny, isan’izany ny tany Vakinankaratra, Ihosy, Anosy, Androy, Matsiatra ambony, sy ny sisa, ary farany teo ny tao Boeny.
Ny Fanoratana.



