PolitikaSongadim-baovao
MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO : « Tsy mampihemotra ahy amin’ny fijoroako ny fanenjehana »
Fandaharana « Tsy ho tompon-trano mihono » voalohany nataon’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, taorian’ireo resabe sy ny fanenjehana sesilany natao azy sy ny vadiny, tato anatin’ny andro maromaro izay. Anisany nisongadina tao anatin’ny fanambarana nataony ny tsy hihemorany amin’ny asa sy ny andraikitra sahaniny, na dia eo aza ireo mpanenjika sy mpandrabiraby.
Ianjadian’ny fanaovana tsinontsinona sy ny fanosoram-potaka foana matetika ny vehivavy manana andraikitra ambony ara-politika na ara-tsosialy eto amin’ny Firenena, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Anisan’ireo lasibatra amin’izany ny tenany. Nambarany anefa fa tsy hahavita hampihemotra azy amin’ny fijoroany ho an’ny firenena mihitsy izany toe-javatra izany. Raha ny mahakasika azy manokana dia nambarany fa efa fantatra mazava ny tanjon’ny mpanenjika, dia ny hahatonga azy hiala andaharana eo anivon’ny Fitondram-panjakana. « Fantatra ny toeran’i Lalatiana Rakotondrazafy eo anivon’ny Fanjakana dia ezahana mafy izay hahatonga azy hilavo lefona manoloana ireo fanenjehana atao aminy », hoy izy. “Tsy karazan’olona kanosa aho. Tsy ny fanenjehana atao ahy no hampihemotra ahy amin’ny asa fampandrosoana sy ny fitiavana ny tanindrazana. Ny faharesen-dahatro irery ihany no mampijoro ahy” hoy hatrany ny nambarany.
Manana Etika politika
Notsindriany fa misy lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety ary efa voalaza ao daholo ny azo atao sy ny tsy azo atao rehetra. Tsy mifidy sarangan’olona, araka izany, ny lalàna. Raha misy voatohitohina tamin’ny zavatra efa mihoatra ny fefy fa tsy ao anatin’ny asa fanaovan-gazety intsony dia manana zo ho arovan’ny lalàna ny olona iray hoy izy. Manoloana ny filazana fa nanodikodim-bola tao amin’ny foibem-pibaikoana ny ady amin’ny Covid-19 (CCO) ny tenany dia nilaza ny Minisitra fa “Tsy hataoko mandrakizay ary mifanohitra amin’ny “éthique politique” hijoroako ny filazana fa manodikodinam-bola aho”. Nohamafisiny fa tsy nikirakira vola na kely aza tao amin’ny CCO ny tenany ary tsy mbola nanaovan’ny cours des comptes fanadihadiana.
Fanohanan’ny Vehivavy Freedom
Manoloana ity tranga fanenjehana an-dRamatoa Minisitra Lalatiana Andriatongarivo ity, izay sady Filoha nasionalin’ny Antoko Freedom, dia nanao fanambarana fanamelohana ny Fikambanan’ny Vehivavy Freedom. “Manoloana ny fanenjehana mavaivay dia tsy hainay ny hangina fa dia miombom-po sy miray fo ambiny izahay satria tsapanay, ary hitam-poko, hitam-pirenena, fa anisan’ny vehivavy miasa sy miezaka amin’ny fanompoana ny vahoaka Malagasy ary mahavita ny andraikitra nankinina taminy araky ny tokony ho izy io Ramatoa io”, hoy ny Fikambanan’ny Vehivavy Freedom. “Tsy ekena,hoy izy ireo, ny fanaratsiana, ny fampifangaroana ny fiainana manokana sy ny fiainana arak’asa, … ary na inona na inona tsy fitovian-kevitra politika, ny fanelezana atsanga tsy aman’orana miainga amin’ny fiainan’olona manokana dia melohina amin’ny hery manontolo”, hoy hatrany ny fanambarana.
Ny Fanoratana.




