PolitikaSongadim-baovaoSosialy
MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO: “Tsy mitovy ny Covid-19 tamin’ny taon-dasa sy ny ankehitriny”
Mandainga sy mamita-bahoaka izay hilaza fa mitovy amin’ny Coronavirus natrehintsika tamin’ny herintaona ihany ity hiainantsika ankehitriny ity, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly tao amin’ny Kaonty Fesibokiny. Notsindriany fa tena mafy sy mandripaka ity Covid-19 amin’ny endriny avy atsy Afrika Atsimo ity ka tokony hanamafy ny fiarovan-tena ny rehetra.
Nanomboka volana mars 2020 no niditra teto amintsika ny valanaretina Covid-19. “Tsy mbola nisy resaka « variants » sy ny sisa tamin’izany fa ilay covid tamin’ny endriny voalohany ihany no nisy. Tahaka ny areti-mifindra rehetra dia mafy izy fa « tsy mafy noho ny pesta sy ny choléra » ary teniko izany », hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Notsindriany fa tsy niteniteny foana mihitsy ny tenany raha niteny izany, fa niainga tamin’ny fahitana ny zava-nisy sy ny tarehimarika mazava nisy na ny teto amintsika na ny tany ivelany.
Nisy mihitsy tarehimarika vitsivitsy nasehon-dRamatoa Minisitra tamin’izany. Isan’izany ny valanaretina Pesta tamin’ny 2017 izay tao anatin’ny 4 volana no tena nampahery be azy, ny 1 aogositra ka hatramin’ny 26 novambra 2017. 2384 ireo tranga voamarina tamin’izany, ary 202 ny isan’ny maty. Raha nampitahaina tamin’ny Covid-19 tamin’ny 2020 kosa indray, tao anatin’ny 4 volana koa, izany hoe nanomboka ny 19 mars ka hatramin’ny 31 jolay 2020, dia 10 888 ireo tranga voamarina, ary 105 ireo isan’ny maty. Nandray ohatra tamin’ny fotoana nitovy indray koa izy, nanaovana fampitahana. Ho an’ny Pesta nanomboka ny 1 aogositra ka hatramin’ny 26 novambra 2017, 2384 ireo tranga voamarina, ary 202 ireo lavo. Ho an’ny Covid-19 kosa indray, nanomboka ny 1 aogistra ka hatramin’ny 26 novambra 2020, 6536 ireo tranga voamarina ka 140 ireo lavo. “Mazava be angamba ireo tarehimarika ireo fa tsy nandripaka nihoatra ny pesta mihitsy ny Covid raha ilay endriny tamin’ny voalohany”, hoy izy.
Samy tsy nisy nahalala ny hisian’ny “Variant”
Samy tsy nisy nahalala na iza na iza, hoy izy, fa hisy « variants » henjana be efa maherin’ny 4.000 ity « Covid-19 initiale » ity, ka hisy 4 amin’izany tena handripaka sy hahery vaika, dia ny variants brésilien 1 sy 2, ny variant anglais ary ny variant sud-africain izany. “Tsy nisy na ny manam-pahaizana “en medicine” na ny siantifika hafa afaka nahalala tamin’ny taon-dasa fa hisy an’ireo variants mafy dia mafy ireo, porofon’izany ny voka-pikarohana navoakan’izy ireo tamin’ny fiandohan’ity taona ity hoe tsy mandaitra firy amin’ireo variants ny vaksiny efa novokarina teo aloha”, hoy hatrany ny fanazavana.
Tena mafy ilay “Variant Sud-Africain”
Raha tsiahivina dia nanomboka ny 13 mars 2021 no nahitana tamin’ny alalan’ny fitiliana nalefa tany Paris Frantsa ny 11 mars 2021, fa tafiditra teto amintsika ilay « variant sud-africain ». Niaraha-nahita fa nirongatra izay tsy izy ny tranga sy ny isan’ny maty. Nitondra tarehimarika hatrany izy nentina nanaporofoina izany, ka teo anelanelan’ny 13 marsa ka hatramin’ny 12 aprily 2021 dia tafiakatra 7409 ireo trangana Covid-19, ary 186 ny isan’ny maty. Izany hoe, ao anatin’ny 1 volana monja dia nandripaka sy nandavo lavitra noho ny 4 volana nisy « pic » tamin’ny taon-dasa ilay valanaretina noho izy nisy ilay « variant sud-africain » ankehitriny.
Nilaza, noho izany, ity tomponandraikitra ity fa tsy hisy mihitsy ankehitriny afaka hilaza hoe tsy mankaiza io covid-19 amin’ny endriny misy « variant sud-africain » amin’izao io, na tsy mafy mihoatra ny pesta sy ny choléra. “Nitombona izay tamin’ny taon-dasa fa tsy misy adala hilaza fa mbola mitombona izay ankehitriny ary tsy nisy niteny an’izany. Raha marina tanteraka tamin’ny taon-dasa fa tsy nandripaka noho ny pesta sy ny cholera tamin’ny fotoanan’androany ilay « covid initiale » dia tsy nisy niteny izany intsony mihitsy amin’ity taona ity satria mandainga ary mamitaka vahoaka raha mbola hiteny an’izany izao nefa efa iaraha-mahita manerana izao tontolo izao ny hamafiny”, hoy hatrany izy nanamafy.
Ny Fanoratana.




