
PolitikaSongadim-baovao
MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO : « Zava-doza ho an’ny fiainan’ny firenena ny fandranitana adim-poko »
Taorian’ny fialan’ny Minisitra sasantsasany tao anaty Governemanta, misy andian’olona indray mivoy fa ireo Minisitra tsy avy eto afovoantany hatrany no iharan’ny fanesorana, na mametra-pialana. Toa te hilaza izany fa misy fanilihana ireo zanaky ny Faritra hafa eo anivon’ny Fitondram-panjakana foibe. Fanehoan-kevitra izay misy ambadika fandranitana adim-poko, na dia tsy mivantana aza. Naneho ny heviny mahakasika izany ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly.
« Zava-doza eto amin’ny fiainan’ny firenena ny fandranitana adim-poko”, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, omaly, raha naneho ny heviny. Ny tantara efa nanaporofo izany, hoy izy, fa tsy maintsy ho fifamonoana no iafarany, ka mila sorohana. Tokony hahatsapa ho tomponandraikitra ara-politika amin’ny fisorohana izany ny mpanao politika, araka ny nambarany, izay nosokajiany ho “Kianja mampibolisatra”. Tsy marina velively ny hoe rehefa Minisitra avy eto Antananarivo dia tsy voakitika ao anatin’ny Governemanta, hoy ity tomponandraikitra ity. “Ny Filohan’ny Repoblika dia tsy mba mitanila izany tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Rehefa hitany fa manimba endrika ny Fitondram-panjakana, dia noesorina”, hoy izy. Na izany aza, nambarany fa inian’ny sasany tsy jerena ny tranga sasany, toy ny Minisitra avy eto afovoantany izay efa noesorina teo anivon’ny Governemanta.
Raha tsiahivina, nandritra ny fihaonan’ny Filoham-pirenena tamin’ireo tompona haino aman-jery, ny fiandohan’ny taona teo, dia niresaka mahakasika ny fanesorana ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany teo aloha ny tenany. Io Minisitra io, izay naman’ny Filoham-pirenena akaiky, kanefa tsy maintsy noesorina satria nisy asa tokony ho nataoko kanefa tsy vitany. Izany no manaporofo fa tsy ny fiavian’ny Minisitra iray mihitsy no hanesorana na hihazonana azy eo anivon’ny Governemanta. Misy ny masontsivana dia miankina amin’izany ny fanapahan-kevitra, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Antony vitsy ihany no mety hanesorana minisitra iray amin’ny toerany. Na izy mety tsy mahavita ny asany, na tsy nadio ny fitantanany.
Fampandrosoana any amin’ny Faritra
Diso tanteraka, noho izany, fa tsy tia olona avy any amin’ny Faritra hafa ny Filohan’ny Repoblika. Manaprofo izany, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny fandehan’ny Filoha mihazo ny Faritra matetika, izay isan’ny zavatra tiany. Rehefa mihazo Faritra iray ny Filoha dia tsy mitsidika fotsiny fa sady manamboatra lalana, fotodrafitrasa isan-tsokajiny. Ary koa, ny Faritra tsirairay dia efa nomena ilay vola 2 miliara ariary mba hahafahan’ny Governora isam-paritra manao tetikasam-pampandrosoana mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka. Ireo rehetra ireo dia manaporofo fa tsy manana olana amin’ny any amin’ny Faritra mihitsy ny Filoha. Ary isan’ny porofo lehibe indrindra dia ny fametrahany fitokisana amin’ny Praiminisitra izay avy any amin’iny tapany avaratry ny Nosy, kanefa izany dia inian’ny sasany tsy resahina sy tsy jerena.




