PolitikaSongadim-baovao
MINISITRY NY FITSARANA : “Tsy resaka kajikajy politika ny hetsika kopia sy karapanondro faobe”
Manizingizina ny avy amin’ny fanoherana fa ambadika politika sy kajikajy politika hiomanana amin’ny fifidianana amin’ny taona ho avy ny mahatonga ny Fitondrana ankehitriny miroso amin’ny fanomezana kopia sy karapanondro ireo olona feno taona kanefa tsy mbola manana izany. Tanjona ny hampidirana azy ireny anatin’ny lisitry ny mpifidy noho izy ireo manan-jo feno handray anjara amin’ny fifidianana, araka ny fanazavana. Namaly izany ny Minisitry ny Fitsarana, François Rakotozafy, omaly, izay nilaza fa tsy misy olona terena amin’ny fanaovana ny fitsarana mitety vohitra hanomezana kopia sy karapanondro faobe, na ny mpitsara na ny mpiraki-draharaha. Asa andavanandron’ny mpitsara, hoy izy, ny fanaovana « jugement supplétif » fa tsy zava-baovao.
Notsindriany, araka izany, fa tsy misy resaka politika ny fanaovana “jugement suppletif”. “Tsy mampalaelo ve misy malagasy antapitrisany tsy manana kopia, tsy manana karapanondro? Tsy misitraka ny zo maha olombelona. Tsy ny fifidianana ihany no ilàna kopia sy karapanondro, fa rehefa hiditra ianatra ohatra, hiasa, haka vola any amin’ny banky, hanao permis », hoy ny fanazavany. Marina fa mifanandrify amin’ny vanim-potoana hanaovana ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, hoy izy, no hanaovana ilay hetsika, saingy tsy misy ambadika izany. Nomarihiny fa tsy manana fisiana ara-dalàna ny olona tsy manana kopia sy karapanondro. Ankoatra izay, tsy mitombina, hoy izy, ny resaka kajikajy politika satria na ny fifidianana aza tsy mbola misy daty, ny olona hirotsa-kofidiana koa tsy mbola fantatra, sy ny sisa. Tsiahivina fa manodidina ny telo tapitrisa eo ho eo ireo olona heverina fa homena kopia sy karapanondro ao anatin’io hetsika io.




