
PolitikaSongadim-baovaoToekarena
MINISITRY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY: Namaky bantsilana ireo lainga afafin’ny Depiote Siteny R.
Araka ny efa novakiana bantsilana teto ombieny ombieny dia mitondra ny adihevitra ambany sy mirefarefa amin’ny tany hatrany ny Solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko, izay Lehiben’ny mpanohitra amin’izao fotoana. Fomba fanaony, ary ananany fahaiza-manao manokana mihitsy ny fanelezana tsaho sy vaovao tsy marina. Farany teo dia nanao fanambarana indray ny tenany izay nilaza fa lainga ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny Harena ankibon’ny Tany, Herindrainy Olivier Rakotomalala, nanoloana ny vahoaka tao Ankilimalinike, momban’ny tetikasa Base Tulear.
Araka izany dia nitondra fanazavana avy hatrany ny Minisitra Herindrainy Olivier Rakotomalala, tamin’ny alalana horonantsary fohy nozaraina tao amin’ny tambazotran-tserasera. Novelabelariny ny fanazavana ara-teknika momba ity tetikasa ity ka anisan’ny notsindriany manokana fa ny siansa tsy mba mandainga.
Nohamafisiny tao anatin’izany fa tsy ao anatin’ny ala arovana , PK32 alan’ny Baobab ny fahazoan-dalana na permis an’ny Base Tulear fa any ivelany. Notsiahiviny fa efa nisy fotoana nisy fitrandrahana tao anatina faritra arovana tany amin’ny Faritra Menabe fa nanaovana bemidina nanatsaharana izany. Ankoatra izay, mbola nohamafisin’ny Minisitra Herindrainy Olivier Rakotomalala fa manodidina ny 15 menatra ihany koa ny hakan’ny tetikasa Base Tulear ny fasika mavesatra ao anatin’io tetikasa io.




