Songadim-baovaoSosialy
MINISITRY NY MPONINA : “Manana adidy amin’ny fanarenana ny tontolo iainana ny vehivavy”
08 Marsa 2021. Anio no andro natokana hanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, izay fanao isan-taona. Nandritra iny herinandro lasa iny dia efa maro ireo hetsika natao nanerana ny Nosy. Isan’izany ny atrikasa natao tany Antsiranana, mahakasika ny tontolo iainana. Fotoana izay nanambaran’ny Minisitry ny mponina, fa “anisan’ny mpanimba ny tontolo iainana ny vehivavy ka manana adidy lehibe amin’ny fanarenana azy”.
“Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy”, io no lohahevitry ny atrikasa mahakasika ny vehivavy sy ny Tontolo Iainana izay natao tao Antsiranana, amin’izao ankatoky ny fankalazana ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy izao. Naharitra telo andro ity atrikasa ity, ary nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo. Niara-nisalahy tamin’izany ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, ny PNUD ary ireo manampahefana eto Antsiranana. Nohamafisin’ny Minisitry ny Mponina, Michelle Bavy Angelica, tamin’ny fahatongavany tao an-toerana fa anisan’ny mpanimba ny tontolo iainana ny vehivavy ka manana adidy lehibe amin’ny fanarenana azy amin’ny alalan’ireo fihetsika tsotra nefa misy fiaintraikany mivantana ho fiatrehana ny fiovaovan’ny toetrandro. Anisan’izany ny fambolen-kazo sy ny fitsitsina ny rano ampiasaina ary ny fampiasana angovo azo havaozina.
Fiovaovan’ny toetrandro
Tetsy ankilany, tanora maro tao Antsiranana ihany koa no tonga manatrika ny fanentanana ataon’ireo solotenan’ny Firenena Mikambana manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny firongatry ny herisetra. Araka ny fanazavana, nentanina ireo tanora handray fepetra manoloana ny fahasimban’ny toetrandro. “Ampahafantarina azy ireo ihany koa ny karazana herisetra miseho amin’izao fotoana izao. Tanjona amin’izany ny mba handraisan’ireo tanora anjara amin’ny fampiharana ireo fihetsika tsotra entina miatrika ny fiovan’ny toetrandro ao anatin ilay campagne ACT NOW : agir contre le changement climatique”, hoy ny fampitam-baovao. Ho apetraka ihany koa ny tambazotran’ireo tanora ao anatin’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra (ODD). Miara-miombona antoka amin’ny fanatanterahana ity hetsika ity ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Fizarana “kit de dignité”
Ankoatra ireo rehetra anefa, nisy koa omaly ny fanolorana fantana mitsisy ho fandraisana anjara amin’ny fanamaitsoana an’i Madagasikara. “Mila mifanome tanana isika ho amin’ny fampandrosoana. Hazo maty telo dia efa ampy hahandroina sakafo”, hoy ny tomponandraikitra. Araka ny fanazavana, ny fampiasana ity fatana mitsitsy ity dia mampihena ho amin’ny 50% ny fampiasana harina fandrehitra. Ho an’ny tontolo andron’ny omaly, nanatrika ny lanonana fanomezana ny “kit de dignité” ho an’ny vehivavy ihany koa ny Minisitry ny Mponina, Michelle Bavy Angelica. “Kit de dignité » izay ahitana serviette, lambahoany, lovia, sotro, borosy nify, dentifrice, zinga, seau, koveta, serviette hygiénique lavable.
Tsara ho fantatra fa tonga soa amantsara tao Antsiranana ny sabotsy teo ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica sy ny Minisitry ny Rano, Rakotovelomanantsoa Voahary ary ny delegasiona miaraka amin’izy ireo. Notsenain’ireo manampahefana eto an-toerana tao amin’ny seranam-piaramanidina.




