PolitikaSongadim-baovao

MINISITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA: “Misy minia manafangaro ny heloka tsotra sy ny heloka an-gazety”

Ny Sata maha mpanao gazety dia tsy midika mihitsy fa ambonin’ny lalàna ny mpanao gazety eny anivon’ny Fiarahamonina. Azo tsaraina sy melohina mitovy amin’ny olom-pirenena rehetra ny mpanao gazety raha toa ka heloka tsotra, tsy misy ifandraisany amin’ny asa fanaovan-gazety no maha voasaringotra azy, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.

Nitondra fanazavana misimisy kokoa mahakasika ny Raharaha hanenjehana ny Filoha Tale Jeneralin’ny Orinasa an-gazety “La Gazette de la Grande Île”, Atoa Lola Rasoamaharo, omaly, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo. Novakiany Bantsilana fa misy minia manafangaro ny hoe “Heloka tsotra” (Délit de droit commun) sy ny “Heloka mifandraika amin’ny asa fanaovan-gazety” (Délit de presse), mba hanondroana ny Fanjakana ho manohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.

Raharaha roa mazava tsara, hoy izy, no hanenjehana an’i Lola Rasoamaharo, izay samy tsy misy ifandraisany amin’ny asa fanaovan-gazety avokoa. Ny voalohany dia ny fitoriana nataon-dRamatoa Brigitte Razaka, izay mpandraharaha, mahakasika ny Fitakiam-bola tsy ara-drariny, fampihorohoroana, fanalam-baraka, firaisana tsikombakomba nataon’i Lola Rasoamaharo, Tompon’ny “La Gazette de la Grande Île”, izay naha lasibatra azy. Adin’ny samy mpandraharaha aty amin’ny sehatra tsy miankina ity raharaha ity, araka ny fanamafisana nataon-dRamatoa Brigitte Razaka, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety. Tamin’ny alalan’ny “Graffiti” na kisarisary amin’ny rindrina no nanaovan’i Lola Rasoamaharo ny fampihorohoroana sy ny fanalam-baraka, ka tsy mahakasika velively ny sehatry ny asa fanaovan-gazety.

Tsy fanakatonana Orinasa an-gazety

Raharaha faharoa maha voasaringotra an’i Lola Rasoamaharo kosa ny resaka Halatra herinaratry ny orinasa Jirama, an-taonany maro. Nametraka fitoriana momba izany ny Jirama, ary efa nisy ny Didim-pitsarana nivoaka, izay nampandoa onitra an’ny Tompon’ny “La Gazette de la Grande Île” mitentina 414 524 704,53 Ariary. Tsy nanefa izany mihitsy anefa ny tenany. Ka amin’izao andriamatoa Lola Rasoamaharo voasaringotra amin’ny raharaham-pitsarana hafa izao, dia nangataka tamin’ny Fitsarana ihany koa ny Orinasa Jirama ny hahafahana manao “saisie conservatoire” na fanagiazana ireo entan’ny Orinasa MPE (La Gazette de la Grande île), mandrapanefany ny onitra tokony haloany tamin’ny fandikan-dalàna nataony. Izany hoe, tsy mbola misy idiran’ny asa fanaovan-gazety ihany koa ity raharaha faharoa ity. Misy mivoy anefa ankehitriny fa fanakatonana Orinasa an-gazety no miseho ankehitriny satria tsy afaka mamokatra gazety intsony aloha ny “La Gazette de la Grande Île”. Notsindrian’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, omaly, fa tsy fanakatonana Orinasa an-gazety mihitsy no misy amin’izao fotoana, satria na ankehitriny ihany aza ny “La Gazette de la Grande Île” dia efa mahita fitaovana hamokarana gazety, dia afaka mamoaka izy ireo. Na koa tapa-kevitra ny mpitantana fa handoa ny onitra, dia miverina amin’izy ireo ny entana nogiazan’ny Jirama, dia miverina mivoaka ny Gazety.

FAHALALAHANA MANEHO HEVITRA: Nihaona tamin’ireo Masoivoho sy fiarahamonim-pirenena ny Minisitera

Omaly, nisy ny hetsika fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ho an’ireo Masoivoho Vahiny miasa sy monina eto amintsika, niaraka tamin’ireo fiarahamonim-pirenena omaly mahakasika ny Lalàna 2020-006, izay manitsy ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna 2016-029, mifehy ny Serasera amin’ny Haino Vaky Jery. Tanjona tamin’ity fampihaonana ity, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny hampahafantarana azy ireo fa efa nasiam-panatsarana ny lalàna mifehy ny Serasera eto Madagasikara, izay miantoka ny fahalalahana maneho hevitra. Isan’ny nifanakalozana betsaka nandritra ny fihaonana ny mahakasika “délit de presse” sy ny sazy mifandraika amin’izany, ny fahafaha-mitrandraka vaovao, sy ny sisa.

Fermer