Songadim-baovaoSosialy

MISS CYRIA TEAMAGNOMBE: Nahatsiaro manokana ireo ankizy beazina ao amin’ny Akany Fitahiantsoa

Ankizy miisa 180 ankehitriny no beazina ao amin’ny Akany Fitahiantsoa etsy Tsaramasay. Ity akany ity izay nijoro efa maherin’ny folo taona izay. Nitombo be io isan’ny ankizy raisin’ny akany an-tanana io, raha ny fanazavana. Tsy maharaka intsony koa ny fotodrafitrasa. Ny akany anefa no misahana ny fampisakafoana sy ny fampianarana an’ireo ankizy ireo. Ary misy amin’ireo ankizy no efa matory ao amin’ny akany mihitsy, toy ireo zaza kamboty sy narian’ny Ray aman-dReniny. Manoloana izany, fanamby lehibe ho an’ny akany ny hanitarana ny trano mba hifanaraka amin’ny filàn’ny ankizy.

Omaly, dia nitondra ny anjara fanampiany ho an’ny Akany Fitahiantsoa ny Miss Madagascar Cyria Teamagnombe, niaraka tamin’ny Reny Mpiahy ny Akany, dia ny Loholon’i Madagasikara Lalatiana Rakotondrazafy.  Vary, menaka, cahier, sy stylo no natolony tamin’izany. Nisy koa ny fizarana kilalao ho an’ireo zaza madinika, izay niarahana niasa tamin’ny Samaritan’s Purse.

Nambaran’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy, izay efa 8 taona amin’ity 2025 ity izao no Reny mpiahy ny akany, fa zava-dehibe izao tolo-tanana nataon’ny Miss Madagascar 2024 izao. Tsara ho fantatra fa manao asa an-tsitrapo avokoa ireo mpampianatra ao an-toerana. Ary raha ho an’ity taona ity manokana dia miisa 18 ireo ankizy hiatrika ny fanadinana CEPE.

Ho an’ny Miss Cyria Temagnombe kosa indray, ankoatra ny fifanomezan-tanana, dia isan’ny anton’izao fanampiana izao koa ny asa sosialy takian’ny Miss Monde aminy, izay fifaninanana hatsarana endrika amam-bika iraisampirenena ho atrehiny amin’ity taona ity. Araka ny fantatra dia amin’ny 6 mey izao no hanainga hihazo an’i Inde ny tenany hiatrika ny Miss Monde 2025.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer