KolontsainaSongadim-baovao
MISS MONDE 2025: Hanainga anio hihazo an’i Inde ny Miss Cyria Temagnombe
Araka ny fantatra dia hanainga anio amin’ny 3ora tolak’andro hihazo an’i Inde ny Miss Madagascar 2024 Cyria Olivine Temagnombe, hiatrika ny fifaninanana manerantany Miss Monde 2025 izay miditra amin’ny andiany faha-72, manomboka ny 07 hatramin’ny 31 Mey 2025 izao. Marihinana fa marolafy ireo fanomanana efa natao mialohan’izao fiaingana ho any amin’ny Miss Monde izao, araka ny fanazavan’ny mpikarakara eo anivon’ny Comité Miss Madagascar. Tafiditra ao anatin’izany ny fianarana teny anglisy nataony izay naharitra teo amin’ny enim-bolana teo ho eo, ary azo ambara ho efa mahafehy izany i Cyria Temagnombe ankehitriny. Nisy koa ny fanomanana teo amin’ny resaka fanatajahantena sy fitaizam-bantana
Teo amin’ny lafiny fahasalamana sy ara-tsakafo kosa indray dia tsy nanaraka fomba fisakafoana manokana ny Miss Madagascar fa kosa nitandrina hatrany satria zava-debibe ny fahasalamana sy ny fitazomana ny lanja izay nolazain’ny manam-pahaizana manokana fa mifanaraka amin’ny toe-batany. Nisy koa ny fiomanana teo amin’ny fikarakarana ny endrika sy taovolo, izay nanomezana azy ny torohevitra samihafa nifandraika amin’izany. Ampy tsara entina hiatrehana ny telo herinandro any amin’ny Miss Monde ny fampianarana izay nomena azy ka ahafahana Mahaleotena amin’ny fikarakarana ny resaka taovolo sy endrika amam-bika, araka ny fanazavana.
Filatroana, fahaiza-miresaka
Ankoatra izay, nanoman-tena hatrany amin’ny resaka filatroana ny Miss Madagascar. Nanokanany fotoana manokana mihitsy izany na dia teo ary ireo fandaharam-potoana marobe natrehiny. I Coach Michou Ramarobandro no mampiofana an’ny Miss Madagascar hatramin’ny nahalany Miss Madagascar azy teo amin’ny lafiny “bien être” ary ny “savoir vivre/ être” sy ny sisa… Resaka fahaizana miresaka sy mandahan-teny dia nanampy sy nampianatra azy ihany koa i Coach Michou sy ny tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny ITTI-International Tesol Training Institute Madagascar-Spoken English SEC.
Marihina fa ny styliste Lovatsara K sy Symply By Mi no mampiakanjo ny Miss Madagascar mandritra ny fifaninanana Miss Monde. Misy koa, etsy ankilany, ny fanomezana entin’ny Miss Madagascar any amin’ny “Gift of charity” izay karakarain’ny Miss Monde hitadiavana vola hanaovana asa soa, ka ny Asa tanana zafimaniry no ho entin’ny Miss Madagascar amin’izany.
Tsy miova ireo “challenge”
Ny teo anivon’ny Komity mpikarakara ny Miss Madagascar moa no niandraikitra ny fakana sary matihanina sy ny fandrakofana an-tsary ireo hetsika rehetra nataony sy natrehiny tao anatin’izao fiomanana ho any Inde izao. Araka ny fanazavana dia tsy misy fiovana ireo challenge mahazatra hitsarana mandritra ny Miss, dia ny multimédia, sport, wolrd designer, top modèl, head-to-head ary ny bwp izay ahazoana filaharana tsara indrindra raha anisan’nireo voafantina, fa kosa tsy voatery mahalany ho Miss Monde.
Raha tsiahivina, ny fiarovana ny zaza varira no ho lohahevitra ho tohan’ny Miss Madagascar any amin’ny Miss Monde ary efa nanaovany asa soa teto Madagascar nandritra ny fotoana nahalany azy izany. Ny Loholon’i Madagasikara Lalatiana Rakotondrazafy moa no Reny mpiahy azy, izay isan’ireo nanohana azy koa tamin’ny fanatanterahana ireo hetsika isankarazany takiana amin’ny fifaninanana Miss Monde.


