Vaky Bantsilana

Mitaky firaisan-kina ny fandriampahalemana maharitra

Inona tokoa moa, rey olona, ny zava-kitranga eto amin’ny fiainan’ny fiarahamonina, raha tsy mitoetra amin’ny laoniny ny lafiny fandriampahalemana? Mazava ho azy fa hanjaka ny ratsy, tsy tahotra tsy henatra ny fisian’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Zary miraviravy tanana ny olom-pirenena ka tsy afa-mamokatra noho ny fanjakazakan’ny dahalo, ny mpanakan-dalana, ireo mpanao trafika isan-karazany…

Inona tokoa moa, rey olona, ny zava-kitranga eto amin’ny fiainan’ny fiarahamonina, raha tsy mitoetra amin’ny laoniny ny lafiny fandriampahalemana? Mazava ho azy fa hanjaka ny ratsy, tsy tahotra tsy henatra ny fisian’ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Zary miraviravy tanana ny olom-pirenena ka tsy afa-mamokatra noho ny fanjakazakan’ny dahalo, ny mpanakan-dalana, ireo mpanao trafika isan-karazany… Eny, na hatramin’ny razana any am-pasana aza, voaviraviran’ny olon-dratsy. Voazimbazimba tanteraka ny fisia-maha izy. Tsy atao mahataitra fa mety hikorontana velona ny fiainam-piarahamonina satria ny fandio iray siny, tsy mahaleo ny fandoto iray tandroka. Isaorana ny Fitondram-panjakana, mametraka ny fandriampahalemana ho zava-dehibe, izay fototry ny vahaolana. Izany rahateo ny velirano voalohan’ny Filohan’ny Repoblika, dia ny fametrahana ny fandriampahalemana. Na heverin’ny sasany ho bitika aza izany, tahaka ny vatokely tafiditra anaty maso io, kely ihany fa mahajenjina.

Manana adidy goavana amin’izany ireo, kofehy mando mitam-panjakana ary tandroka aron’ny vozona, araka ny  fanoharan’ny Ntaolo razantsika azy. Tsy iza ireo fa ny Foloalindahy.  Izy ireo no ampinga aron’ny tratra, lefona aron’ny vady aman-janaka eto amin’ny tany sy ny Firenena. Tsy mandry andro tsy mandry alina izy ireo, hisian’ny tena fandriampahalemana maharitra eny anivom-piarahamonina. Koa tsy atao hahagaga raha misy ny teny firariana marobe ao anatin’ny fombam-pitenenana malagasy milaza azy ireo, toy ny hoe :  “tsy haratra ny an-tanan-tena, tsy ho fatin’ny an-tanan’olona. Iantafika hitondra babo ary an-tanàna tsy hilefalahy…”. Marobe tsy tambo isaina ny teny nanoharan’ny Ntaolo momba azy ireo. Tsy mora ny asa miandry ny Foloalindahy satria mitombo andro aman’alina ireo olon-dratsy amin’ny endriny maro, ary mivoatra manaraka ny toetr’andro.

Ny tena zavatra mahavalalanina amin’izao fotoana, nahazo laka ny resaka fivarotana rongony sy ny fanaparitahana ny zava-mahadomelina. Manampy trotraka ireo, ny fisian’ny fandorana niniana natao, na eo amin’ny doro trano na doro tanety. Nanaporofo izany, ny zava-niseho ny herinandro lasa teo, tany amin’ny distrikan’i Manjakandriana sy tany Antalaha ireny. Efa tsy fandriampahalemana avokoa izany. Andraikitra goavana no iantsorohan’ireo tandroka aron’ny vozona, satria miankina amin’ny fandriampahalemana, avokoa no ahafaha-manatsara ny fiainam-piarahamonina. Koa raha goragora io, hahita ny tsy fahita tahaka ny sinibe andrahoan-kena ny olom-pirenena. Raha tsy voagadra tokoa mantsy, ny olon-dratsy, ny olo-marina no managadra tena. Tsy ho tonga amin’ny fampandrosoana tian-kitodiana isika mianakavy, raha toa ka mampitondra lefona an-kibo ireo olon-dratsy.

Ekena fa misy ny ezaka efa natao, saingy tsy tako-nafenina fa vao afaka tamin’ny fihibohana isika, dia niverina nirongatra koa ny asan’ny mpanao ratsy. Noho izany,  tsy tokony ho variana amin’ny adin’akoholahy, fa ny ady amin’ny fahantrana sy ireo olon-dratsy no tena adin’ombalahy, mila ifantohana. Saingy, mifandrohy hatrany ny fampandrosoana ny fandriampahalemana. Na manana antom-pivelomana tsara tokoa aza, ny isam-pianakaviana, kanefa manjaka ny fandrobana isan-karazany. Tahaka ilay boka mievina ny toe-draharaha, afa-drofy anio, saingy hivindana indray rahampitso. Heverina fa ny fandraisana andraikitra ny rehetra no tena vahaolana momba ny tsy fandriampahalemana  ho an’ny Firenena. Ezaka maha te hidera ny fisian’ireo basy marobe ampiasain’ny olon-dratsy azon’ny mpitandro filaminana.

Mitaky firaisan-kinan’ny olom-pirenena rehetra izany. Tsy ho vitan’ny mpitandro filaminana ireny ny fisian’ny fandriampahalemana maharitra fa ny rehetra mihitsy no mandray andraikitra. Rehefa tsy misy ohatra ireo volon-gita mifandray tendro amin’ireo olon-dratsy, kaohin’ny nahiny tahaka ny ranovola tra-maraina izy ireo. Rehefa tsy misy ny mpampiantrano ireo olon-tsy vanona na hisakobon-doza miaraka amin’ireo dahalo ambony latabatra, tsy hikorontana velona ny fiainam-piarahamonina. Goavana amin’ny fampandriana fahalemana, ny fitazonana ny marina sy ny rariny, araka ny hitsiny.

Voir Aussi

Fermer
Fermer