Songadim-baovaoSosialy

MITOHY 15 ANDRO NY HAMEHANA: Tsy maintsy tohizana hatrany ny fanaovana arotava

Nivoaka omaly ny Didim-panjakana laharana faha 2021-848 fanitarana ny fe-potoanan’ny hamehana ara-pahasalamana manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Didim-panjakana izay manambara ny tokony mbola hanajana hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana rehetra mba hisorohana ny firongatry ny aretina indray.

Tato anatin’ny roa herinandro farany, tsy nihoatra ny folo intsony ny tranga vaovao voamarina isanandro fa mitohy ny tsimokaretina Covid-19 eto amintsika. Manamafy ny efa nambaran’ny Filoha tamin’ny 15 andro lasa izany ny amin’ny efa nahafehezantsika ny andiany faharoa tamin’ny valanaretina Covid-19. Tamin’ny ankapobeny, efa nohalefahana ireo fepetra fiarovana ny fiparitahan’ny aretina. Efa saika miverina amin’ny andavanandro avokoa aza ny rehetra, raha tsy hilaza afa-tsy ny eto Antananarivo Renivohitra. Etsy ankilany, mbola mitoetra hatrany kosa ny hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mbola mihatra avokoa, araka izany ireo fepetra rehetra noraisina tao anatin’ny 15 andro lasa. Hamafisina ny fanajana hatrany ireo fepetra rehetra efa nambaran’ny Filoha tamin’ny farany. Tafiditra ao anatin’izany ny tokony hanohizana hatrany ny fanaovan’ny rehetra aro-vava-orona, ary mila hajaina hatrany ihany koa  ireo fepetra ara-pahasalamana sy ara-pidiovana, toy ny fanajana ny elanelana iray metatra, ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony, na ny fampiasana “Gels désinfectants”.

Mbola mikatona ny sisin-tany

Anisan’ny fepetra noraisina, ary mbola notohizana ato anatin’ny 15 andro manaraka ihany koa ny mbola fandrarana ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 400 ao anatin’ny efitra mihidy. Tsy misy intsony koa ny “Couvre Feu”, raha tsiahivina. Ankoatra izay, efa afaka manao fampisehoana ankalamanjana ny mpanakanto manerana ny Nosy. Etsy ankilany, manoloana ny efa firongatry ny variant Delta maneran-tany, dia mitohy mikatona aloha ny sisin-tanin’i Madagasikara. Na izany aza, anisany efa fepetra noraisin’ny Fanjakana, raha tsiahivina hatrany,ny fametrahana sidina manokana miisa efatra hampody ireo teratany malagasy tsy maintsy mody an-tanindrazana. Hitondra mpandeha miainga avy ao Paris mihazo an’Antananarivo irery ihany ireo sidina ireo. Efa nisy ireo tonga ny zoma teo. Mbola hisy kosa ireo ho avy ny Sabotsy 28 Aogositra izao, ary ny 12 sy ny 19 Septambra 2021. Ho hentitra ny fanarahamaso ara-pahasalamana ireo mpandeha rehetra, hoy ny fanazavana.

Fermer