PolitikaSongadim-baovaoToekarena
MIVOAKA SY MIDITRA ETO MADAGASIKARA: Mahazo alalana manokana ireo iraka manokan’ny Fanjakana, masoivoho, …
Nahatonga resabe hatrany tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay ny fisian’ireo sidina izay mbola hita tonga eto an-tanindrazana, na dia teo aza ny fepetra fikatonan’ny sidina navoakan’ny Fanjakana. Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra farany teo, nivoaka ny lisitr’ireo sokajin’olona mahazo alalana manokana hivoaka sy hiditra eto Madagasikara, na dia eo aza ireo fepetra samihafa apetraka. Isan’izany ireo iraka manokan’ny Fanjakana sy ireo masoivoho miasa sy monina eto amintsika.
Namoaka ny lisitr’ireo sokajin’olona afaka mivoaka sy miditra eto Madagasikara ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 12 Mey lasa teo. Nohamafisin’ity tatitra ity fa mbola mikatona amin’ny sidina avy any ivelany i Madagasikara, saingy misy kosa ireo omena fahazoan-dalana manokana hiditra sy hivoaka eto Madagasikara. Ho fandrindrana izany kosa dia hisy ny vaomiera iraisan’ny Minisitera efatra (4) tonta no manapaka izany dia ny minisiteran’ny fitaterana, ny minisiteran’ny raharaham-bahiny, ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka ary ny minisiteran’ny Varotra sy ny indostria.
Araka izany, tafiditra voalohany indrindra ao anatin’ireo mahazo alalana manokana ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara na ireo iraka manokan’ny Firenena iray na ny Firenena mikambana sy ireo mpiasa ao aminy, araka ny fifanarahana iraisam-pirenena izay mifehy antsika. Eo koa ireo manam-pahaizana manokana eo amin’ny sehatra ara-indostria stratejika ka miara-miasa amin’ny Fanjakana. Notsindrian’ny Filankevitry ny Minisitra koa, tetsy andaniny, fa mahazo alalana manokana ireo iraka manokan’ny Fitondram-panjakana na mpiasam-panjakana nahazo fahazoan-dalana ara-dalàna na “ordre de mission”. Ankoatra izay, nomena alalana koa ireo mpanao fanatanjahantena teratany malagasy ka mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena lehibe.
Fepetra ara-pahasalamana manokana
Manoloana ireo fahazoan-dalana manokana ireo, tsy maintsy nisy koa ny fepetra ara-pahasalamana manokana mifandraika amin’izany. Araka izany, ireo olona rehetra ireo dia tsy maintsy manao fihibohana mandritra ny 08 andro ary mitondra valina fitiliana PCR 72ora mialohan’ny hahatongavany ary manao fitiliana eny am-pahatongavana sy mialoha ny hivoahany ny fihibohana. “Ireo hita fa miabo kosa dia tsy maintsy manao fihibohana mandritra ny 14 andro ary manaraka fepetra sy fitsaboana ara-pahasalamana mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara”, hoy ny fanazavana.
Na izany aza, notsindrian’ny Filankevitry ny Minisitra fa ireo mpizahatany, ireo mikasa ny hamangy Havana na hiala sasatra, ireo izay mikasa hitsabo Havana na handevina Havana, dia tsy mbola afaka miditra na mivoaka eto Madagasikara, ary tsy azo omena fahazoan-dalana. “Ireo fepetra ireo dia mipetraka sy mihatra mandritra ny fe-potoana hampiharana ny Hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’I Madagasikara”, hoy ny tatitra.




