Songadim-baovao

MORONDAVA MENABE : Mihamirongatra ny doro tanety sy ny fandripahana ala

Misesisesy ny hetsika notanterahina momba ny fikajiana ireo faritra arovana. Saingy, any amin’ny Faritra Menabe Antimena, vao mainka mitohy hatrany ny fandripahana ireo ala sy ny fandorana ireo ala velona. Potika ireo karazana hazo sarobidy ary rava tanteraka ireo karazana zavamaniry samihafa…

Marobe ny doro ala manimba ny tontolo iainana.

Tsy mitsahatra  ny hetsika notanterahina manoloana ny fandripahana ny ala any amin’ny faritra arovana Menabe Antimena, saingy mitohy tsy ankiato izany hatramin’izao. Mitatitra izany ny mpandraharaha tsy miankina iray any an-toerana, Rtoa Ravaoarisoa Merline Josée, sady manaitra ny sain’ny rehetra. Nasongadiny fa vao mainka mirongatra, amin’izao fotoana izao, ny fandoroana ny ala velona. Potika tanteraka ny zavamaniry samihafa, ahitana ireo karazana hazo sarobidy,  indrindra ireo biby arovana, toy ny varika. Anisan’ny tena ahitana ity fanapotehana ny tontolo iainana ity any amin’ny atiala, manalavitra ny lalam-pirenena (RN 34), toy ny any Beronono, Ankilizato, Morafeno, sns. Toraka izany koa ny mankany amin’ny “allée des baobab” (RN 8)  mizotra mankany Belo ambonin’i Tsiribihina.

Ny tena mampivarahontsana fanaon’ny olona any an-toerana, kapainy ny zavamaniry madinika manodidina ny ala velona ahitana ny hazo vaventy, ary dorany avy eo. May ao avokoa avy eo ny hazo sarobidy sy vaventy, toy ny voamboana, ohatra sy ny biby ao anatiny satria tsy tafavoaka intsony. Afafiny avy eo ny voa katsaka, ary miverina eo amin’ilay toerana izy ireo afaka telo na efa-bolana mioty.

Tsy ampy fahalalana ireo mpanimba ala

Raha ny tatitra, manodidina ny 10 ha ny ala potehina doran’izy ireo amin’ity fomba iray ity. Mikisaka indray izy ireo avy eo, fa tsy mijanona eo amin’ilay toerana voalohany. Raha ny tatitra ny mponina any an-toerana, mpifindra-monina avy any Atsimon’ny Nosy, mitsoaka ny kere any amin’izy ireo, no tena manao ity fomba ity, fa tsy ireo tompon-tany, raha ny fanadihadiana. Misy koa anefa sasantsasany eo an-toerana, satria misy fianakavian’ireo mpifindra  monina ireo efa tonga taloha tany an-toerana, ka manafatra ireto farany.

Ho an-dRtoa Ravaoarisoa Merline Josée, nambarany fa “tsy ampy ny fahalalan’ireo olona mpanimba ala ireo, vokatry ny fahantrana sy ny hanoanana. Vahaolana arosony, ny tokony hampahafantarana azy ireo, ny lanjan’ny tontolo iainana, satria ireny harena voajanahary toy ny reniala (baobab), ny varika, sns, ireny no antony ahatongavan’ny mpizahatany aty Madagasikara”. Tsy niolaka izy nanambara fa  mihevitra ireo mpanimba tontolo iainana ireo fa mampidi-bola betsaka azy ireo ny fambolena katsaka satria mety misy ny mpandraharaha mividy ny vokatr’izy ireo.  Diso tanteraka anefa izany, satria potika ny tontolo iainana sy ny ny nofon-tany, ary sahirana tanteraka ny mponina noho ny loza aterak’izany.

Fermer