KolontsainaSongadim-baovao

MOZEA HO AN’NY TONTOLON’NY SARY: Nisokatra ny Trano Sary, misantatra ny fampirantiana ny Tarika Mahaleo

Tanjona napetraky ny Minisitera misahana ny Kolontsaina ankehitriny ny fanomezan-danja ireo singa rehetra tafiditra ao anatin’ny sehatry ny Kolontsaina. Raha toa ka tsy nahazo ny toerana tokony hisy azy nandritra ny taona maro ny tontolon’ny sary sy ny manodidina azy, nanokatra toerana ho an’ny sary sy ny tontolon’ny sary amin’ny ankapobeny ny Minisitera, dia ny Trano Sary izay Mozea ho an'ny tontolon'ny Sary, etsy Ambohidahy.

Namantana trano potika sy rava ny Ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny, tamin’ny 2019. Tsy nisy fanamboarana nandritra ny taona maro, raha ny ANTA teo aloha no asian-teny. Naverina amin’ny endriny taloha izany ankehitriny. Naharitra volana maromaro ny fanarenana, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Ny tahiry ara-tsary sy ara-horonantsary ao anatiny dia nalefa teny amin’ny tranombokim-pirenena teny Anosy. Ny Agence Nationale Taratra izay ANTA teo aloha, dia natambatra ao amin’ny Tranombokim-pirenena, noho izy manana andraikitra amin’ny fitahirizana sy ny fampahafantarana ny harem-bakoka ara-tsary. Ary ny tapany faharoa kosa, izay miompana betsaka amin’ny fanomezam-baovao, dia atao ho fitaleavana manokana, izay ivon-toerana fanapariaham-baovao ary mitazona ihany ny anarana hoe “taratra” (Direction de la Dépêche Informative Taratra). Izany hoe, tsy hisy intsony ilay Agence Nationale Taratra fa nozaraina roa, miankina tamin’ny asa ataony. Ny Trano Sary izay Mozea ho an’ny sary sy manodidina ny sary, natokana ho fitahirizana ny sary, na ny tarihin-tsary, na ny tahirina horonantsary na horonam-peo, izay no dikan’ny hoe “Archive Icônographique”.

Rantsamangaikan’ny tranombokim-pirenena

Araka izany, ho rantsamangaikan’ny Tranombokim-pirenena, izay rantsana eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Trano Sary. Ankoatra ny fitahirizana sy ny fampahafantarana ary ny fanapariahana ny vakoka ara-kolontsaina, ny tranombokim-pirenena dia efa nitahiry sy nampahanfantatra ihany koa ny vakoka ara-tsary. Antony nahatonga ny fanambarana ny Trano Sary nankany amin’ny tranombokim-pirenena. Ny Fanamby nataon’ny Minisitera mpiahy dia ny hoe “tsy misy sehatry ny kolontsaina atao zanak’ikalahafa mandritra izao fitantanan’ny ekipa ankehitriny izao, ka ny Trano Sary dia entina hanomezan-danja ireo talenta ara-tsary”, araka ny nambaran’ny Minisitra.

Noho ny fahatsapana fa tsy dia nanisy lanja loatra ny sehatry ny sary, sy ny mpisehatra amin’izany rehetra, ny Fanjakana hatramin’izay, dia nametraka tetikasa mazava ny mpitantana ankehitriny. Anisany zavatra tsy ampy eto amin’ny Firenena ny toeran’ny tadidy ara-kolontsaina sy ny tantaran’ny Kolontsaina, isan’izany ny sary. Ireo fikambanana tsy miankina matetika no manome sehatra ho an’ny tontolon’ny sary, sy ny fitahirizana ny tahirin-tsary sy ny kolontsaina. Ankehitriny, maka ny anjara toerana tokony ho sahaniny ny Minisitera misahana ny Kolontsaina, ka nampitombo iray indray ny toerana izay hahafahana mametraka tahiry ho an’ny taranaka any aoriana, mahakasika sary sy ny manodidina ny sary.

Fanomezam-boninahitra ny Tarika Mahaleo

Ny mahaleo no nisantatra ny fampirantiana satria izy ireo no mpanankanto malagasy voalohany indrindra nanolotra ny tahirin’ny tantaran’izy ireo rehetra ho tahirizina ao amin’ny Tranombokim-pirenena. Izy ireo koa no nanome alalana amin’ny fampahafantarana izany arsiva lehibe izany, ary entina mitety ny vanim-potoana maro. “Hoy Dama teo hoe ny mpanankanto lasa vao mamely mamy. Ny tian’ny Minisitera atao anefa, dia amin’izao fotoana izao no fantatry ny olona ny mamy napetrak’izany tarika mahaleo izany, ary inona no mahatonga ny taranaka nifandimby nankafy sy nandray ny hiran’I Mahaleo avokoa?, izay no ho fantarina ao amin’ny fampirantiana”, hoy ny Minisitra. Mifanindra an-dalana sahady amin’ny fankalazana ny faha 50 taonan’ny Tarika Mahaleo ihany koa izao.

Misokatra ho an’ny daholobe, ary maimaimpoana ny fampirantiana ao amin’ny Trano Sary. Misokatra manomboka amin’ny 09ora maraina ka hatramin’ny 4ora hariva. Toerana izay hanomezan-danja ny mpanakanto malagasy ary hanomezana sehatra ho an’ny mpanao sary pika. Ankoatra ny fampirantiana ny tantaran’ny Tarika Mahaleo, hisy koa ny “archive documentaire” izay horonantsary mahakasika ny Tarika Mahaleo. Marihana fa misy efitrano fijerena horontsary ao amin’ny Trano Sary. Mifanindra an-dalana amin’ny fanomezam-boninahitra ny Tarika Mahaleo, dia feno dia feno ny fampirantiana ho hita ao an-toerana, nanomboka omaly, ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faha-25 ny volana Jona 2021. Tsy misy ny vidim-pidirana.

Minisitera akaiky ny artista

Marihana fa toerana maro no nitondran’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina fanarenana, nandritra izay roa taona nitondrany izay. Isan’izany ny Trano Sary, izay ANTA teo aloha, teo koa ny tranombokim-pirenena, ny CNEMD, ny ORTM, ny ANAC, ny Ivotoro, ankoatra ireo fotodrafitrasa maro any amin’ny Faritra. Ny Ekipa ankehitriny, hoy ny Minisitra, dia miezaka manitsy ny tsy nety nataon’ny teo aloha, ary mirotsaka an-tsehatra tanteraka amin’ny maha Minisitera miahy ny tontolon’ny Kolontsaina azy. Ankoatra ny fananganana fotodrafitrasa, fanamby nataon’ny Minisitera ny nandrava ny elanelana misy eo amin’ny mpanakanto sy ny Minisitera, raha toa ka tsy nahatsapa fiahiana loatra ny mpanakanto tany aloha.

Anisany nanatrika ny fotoana omaly ny olo-manan-kaja maro, toy ny Solombavambahoaka, sady Filohan’ny Vaomieran’ny Kolontsaina eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra, ny lehiben’ny mariboninahi-pirenena, ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny Minisitera, ary ireo mpanakanto maro. Tao anaty fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana tanteraka ny fotoana. Antony nanaovana ny lanonana tamin’ny toerana roa samihafa mba hahafahana manaja ny elanelana sy ny fetr’isa amin’ireo olona afaka manatrika ny lanonana.

TARIKA MAHALEO: Nosalorana ny mariboninahim-pirenena ambony indrindra

Tsy  nanadino ny ezaka lehibe vitan’ny Tarika  Mahaleo nandritra izay vanim-potoana ela niorenany izay ny Fanjakana fa nanolotra ireo mpikambana ny mariboninahim-pirenena ambony indrindra. Ny tarika ihany koa no hisantatra voalohany  ny Trano Sary etsy Ambohidahy, raha mbola maro ireo mpanakanto handrasana handranty ny  tahirin-tsariny  ao.

Nisitraka ny mariboninahim-pirenena « Grand Croix de 2éme classe de l’ordre National » avokoa ireo mpikambana rehetra tao amin’ny Tarika Mahaleo. Nosalorana  izany izy efatra mirahalahy sisa mbola velona, Bekoto, Dama, Charles ary i Jean Ba omaly maraina tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, raha efa nisalotra ny anjarany  ireo efa-dahy  efa nodimandry, Raoul, Nono, Fafah ary Dadah. Nahazo ny anjarany ihany koa i Nary, mpitendry gitara ao amin’ny tarika. Ity farany izay nosalorana ny mariboninahim-pirenena «Commandeur de l’ordre National», ary isan’ireo efa ela niaradia tamin’ny tarika na tsy niaraka nanomboka aza. Raha tsiahivina ny tantara, ny tarika mahaleo no isan’ireo tarika efa zokiny indrindra mbola mijoro ary mbola vonona hanohy sy hanandratra ny kanto malagasy hatrany, araka ny fanazavan’i Bekoto. Nambarany ihany koa fa hankalaza ny faha 50 taonany niakarany sehatra izy ireo ny taona 2022 ho avy izao. Nohamafisin’i Dama  fa ny fahaizana nifampizara  ny soa  sy  ny  kanto ary tsara, ireo no nofikirin’izy ireo mafy nahazoa-nanangana sy nitazona ny tarika nanditra  izay  fotoana  lava izay. Nanome hafatra  ireo  zandry mpisehatra amin’ny mozika ihany koa ny tenany mba hikaroka ny kanto tena izy fa tsy ho maika amin’ny vola. Manan-karena kolotsaina, hoy hatrany i Dama, i Madagasikara, ary fotoana  tokony hitrandrahana izany izao vanim-potoana izao.

Tonga nitarika  sy nanome voninahitra ity lanonana manan-kaja, izay teo ambany fiahian’ny Filoham-pirenena  ity, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Nambarany fa  efa nanomboka ny taona 2019 no tsy nitsahatra nanome lanja sy sehatra ireo mpanankato malagasy sangany teo amin’ny tantara  ny Minisitera mpiahy ny Kolontsaina. Nohamafisiny  fa  tandravadikoditra tsy afa-misaraka amin’ny tantaram-pirenena ny kanto apetraky ny mpanakanto. Nasongadin’ny Minisitra fa ny Tarika Mahaleo  dia  isan’ireo harem-bakoky ny firenena  ary miraikitra amin’ny tantaran’i Madagasikara ny kanto nentiny. Tsy zoviana amin’ny rehetra  ny tarika, hoy izy,  ary tamin’izany no nilazany fa efa nitondra avo ny voninahitra sy ny lazan’i Madagasikara manerana  an’izao  tontolo izao ny Tarika Mahaleo.   Nifanindra an-dalana tamin’ity lanonana ity ihany koa ny fitokanana  ny trano sary etsy Ambohidahy. Ity  farany izay toerana fampirantiana ireo tahirintsary sy tahirim-peo ara-tantara  sy ara-kolontsaina. Fantatra  nandritra izany fa ny tahirin-tsarin’ny tarika  Mahaleo no haranty voalohany ao amin’ity toerana ity,  izay haharitra hatramin’ny 25 jona 2021  ho avy izao.

Sata (Mpianatra asa) sy LR.

Fermer