Songadim-baovao

MOZEAN’NY TOLOM-PAHAFAHANA 1947: Tontosa ny asa fanarenana, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy

Isany antoka lehibe amin’ny famelomana indray ny tantaram-pirenena sy ny vakoka maha malagasy ny fanomezan-danja ny mozea. Noho izany indrindra no mahatonga ny minisitera misahana ny Kolontsaina ankehitriny, tsy mikely soroka amin’ny asa fanarenana ireo mozea misy eto amintsika. Finiavana izay mifanojo amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena rahateo…

Anisan’ny nangatahan’ireo mponina tao Moramanga, nandritra ny fandalovan’ny Filoha tao amin’ity Distrika ity, ny mba tokony hanamboarana sy hanarenana ity vakoka manan-tantara ao an-toerana ity. Ity farany izay mirakitra tantara tsy hay kosehina ho an’ny vahoaka Malagasy, nandritra ny tolom-panafahana 1947. Noho ny fandrindrana ny asa, ny ministera misahana ny kolontsaina mazava ho azy no niantsoroka ny fanatanterahana ny asa. Omaly, nanokatra tamin’ny fomba ofisialy, ity Mozea ao Moramanga ity ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, niaraka tamin’ny ekipan’ny minisitera izay notarihiny. Tsara ho fantatra fa ny taona 2011 no natsangana ity Mozea ity mba hiraiketana ny tantara izay nolalovan’i Madagasikara. Nambaran’ny minisitra tompon’andraikitra, araka izany, fa

« zava-dehibe ho an’ny tantaran’ny firenena ny fijoroan’ity Mozea ity, ary manana lanja loatra ihany koa ho an’ny Filoha, ka izany no antony nirosoana tamin’ny fanarenana ».

Tsy nitsahatra ny asa fanamboarana na dia teo aza ny valanaretina Covid-19, hoy ny fanazavana.

MOZEAN’NY TOLOM-PAHAFAHANA 1947
Isany laharam-pahamehan’ny minisitera ny fanarenana ireo vakoka maha malagasy

Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina

Nohamafisin’ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, fa teti-bolan’ny minisitera madiodio no nentina nanamboarana ny asa rehetra. Rehefa misy kosa ny filazana ofisialy, amin’ny fahafahana miverina amin’ny fiainana andavan’andro, dia ho afaka ampiasaina avy hatrany ity Mozea ao Moramanga ity. Etsy ankilany, misy koa ny takelaka lehibe miisa valo, izay nentina avy aty Antananarivo, hapetraka ao amin’ity Mozea ity, hanampiana ny olona hahafantatra misimisy kokoa ny tantaram-pirenena. Amin’ny ankapobeny, mirakitra ireo tantara niavaka tamin’ny tolom-panafahana taona 1947, ireo takelaka hapetraka ao an-toerana ireo. Efa azo ampiasaina noho izany ity Mozea ity na dia mbola misy aza ireo pitsopitsony madinika izay mbola afaka hatsaraina. Ankoatra izay, hiroso amin’ny fametrahana ny tranoben’ny Serasera sy ny kolotsaina ho an’ny Faritra Alaotra Mangoro ihany koa ny Minisitera, tahaka ny efa misy any amin’ireo renivohi-paritany sasany. Ao Moramanga noho izany no toerana hametrahana io rantsa mangaika io, raha ny fanazavana. Nifanindra an-dalana tamin’ity fidinana ifotony nataon’ny Minisitry ny Serasera sy ny kolotsaina tany Moramanga omaly ity ihany koa, ny fihaonany mivantana tamin’ireo mpanakanto sy mpanao gazety, ka nitondrany izay voatsirambin’ny tanana, entina hanampiana azy ireo.

Fermer