KolontsainaPolitikaSongadim-baovao
MPAMOKATRA SARIMIHETSIKA : « Tsy nisy tombontsoa azonay mihitsy tao amin’ny OMDA »
Mazava ny fanehoan-kevitra nentin’ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny famokarana sarimihetsika omaly. « Tsy nisy mihitsy tombontsoa azon’ny mpamokatra sarimihetsika tao amin’ny OMDA,… vao maika aza vesatra ho anay ny fisiany noho ireo saran’ny hologramme aloa amin’ny kapila mangirana, kanefa tsy misy tombony ho anay mihitsy », izay no anisan’ny teboka nisongadina tamin’ny fanambaran’izy ireo omaly. Tohanan’izy ireo, araka izany, ny fanapahan-kevitry ny Minisitera mpiahy izay nambaran’izy ireo fa mariky ny finiavana hanova sy hanatsara.
Hitondra rivo-baovao sy hamerina hametraka amin’ny toerana sahaza azy ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny teo anivon’ny minsiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, raha ny fanambaran’ireo mpisehatra amin’izany omaly. Tao anatin’ny taona maro naha mpikambana ny ankamaroan’ireo trano mpamokatra malagasy teo anivon’ny OMDA, saika niditra fatiantoka hatrany izy ireo noho ny fitantanana na ihany koa ny tsy fahafantarana ny tena lalan’ny vola sy ny latsak’emboka efain’izy ireo amina fanatontosana sarimihetsika iray. Voafaritra tao anatin’ny fifanarahana hatramin’izay mantsy fa sandaina 70Ar isaky ny hologramme amin’ny kapila mangirana tsy maintsy apetraka ao amin’ny OMDA sy ny isan’ny natonta, ny asa famokarana nataon’izy ireo. Manodidina ny 3% amin’izany ihany anefa no miditra any amin’ny trano mpamokatra hanefana ireo vesatra samihafa tamin’ny fanodinana ny horonantsary, tafiditra ao anatin’izany ny karaman’ny mpilalao, ireo mpanatontosa sy ny pitsopitsony rehetra hamoahana vola. Nitsotra, araka izany, ireto mpamokatra sarimihetsika ireto fa tena tsy misy mihitsy tombontsoa azon’izy ireo tamin’ny fisian’ny OMDA hatrizay.
Tsy ny mpihira ihany no tokony hisitraka tombontsoa
Isan’ireo olana goavana mampitaraina ny ankamaroan’ny mpisehatra amin’ny horonantsary ny firoboroboan’ny fanaovana dika hosoka mitovy ny sangan’asan’izy ireo, izay misy fiantraikany goavana amin’ny asa. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola voavaha hatrany io olan’ny fanaovana hosoka io. Zava-dehibe, hoy ireo mpamokatra sarimihetsika, omaly, ny fanapahan-kevitra noraisin’ny ministera mpiahy, amin’ny fanoloana ny fitantanana ity ofisy ity. Tsy ny mpihira irery ihany hoy izy ireo no tokony hisitraka ny tombontsoa fa isany ireo mpisehatra tsy ankanavaka amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Ankoatra izay, maro loatra ny fitantanana tsy nandeha araka ny tokony hoy izy raha ny fanambarana nataon’izy ireo omaly ihany. Efa maro ny fanairana nentin’ny mpisehatra rehetra tao anatin’izany. Angatahan’izy ireo maika ny hametrahana amin’ny toerana sahaza azy ny rafitra tena mifehy ny tontolon’ny sarimihetsika.
Nisy fitsirihana anatiny natao
Tsiahivina fa ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina, izay sady Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny OMDA, Andriamatoa Razafiarison Francis, omaly, dia efa nitondra fanazavana manoloana ireo resabe mandeha mahakasika ny OMDA. Notsindriany fa sampandraharaha miankina amin’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina ny OMDA, noho izany, andraikitry ny Minisitra ny manendry na manala ny taleny. Misy lalàna mifehy azy ny OMDA. Ary toy ny « organisme rattaché » rehetra dia tsy voatery ny hiera amin’ny mpikamban’ny OMDA ny Minisitra vao afaka mandray fanapahan-kevitra. Na izany aza, notsindrian’ity tomponandrakitra ity fa niainga tamin’ny fitsirihana anatiny natao teo anivon’ny OMDA no nahatonga ny fanesorana ny taleny. Nisy fitantanana ara-bola tsy dia nazava tao. Betsaka koa ireo mpanakanto tsy nisitraka ny tombontsoa tokony ho azony, ka antony nandraisana ny fanapahan-kevitra.




