Non classé
MPANOLOTSAINA CUA – FREEDOM: Nanolotra fanampiana ireo mpiasan’ny fasam-bahiny Anjanahary
Ny eny amin’ny Fasam-bahiny eny Anjanahary no toerana natokan’ny Fanjakana andevenana ireo nodimandry teto Antananarivo, kanefa tsy afaka namonjy ny fasan-drazana noho ny valanaretina mbola miparitaka. Tsy vitsy amin’izy ireny anefa no lavon’ny Covid-19. Araka ny antontanisa avy amin’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fampiroboroboana ny fahadiovana ao amin’ny BMH, Dr Rasoanomenjahary Anjarasoa, nahatratra 11 hatreto ireo lavon’ny Covid-19, nalevina teny Anjanahary, hatramin’ny nisian’ny valanaretina teto amintsika. Ny roa amin’ireo dia nilevina avy hatrany amin’ny Fasam-pianakaviana, eny an-toerana ihany. Eo anatrehan’izany, resy lahatra ireo mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, avy amin’ny antoko Freedom, ny hanolotra kojakoja ho fiarovana amin’ny tsimokaretina Covid-19, ahitana arotava, “visière”, savony ary indrindra ny tambavy CVO ho an’ireo mpiandry fasana (gardiens du cimetière), teny amin’ny Fasam-bahiny Anjanahary, omaly. Ireo mpiasa eny an-toerana ireo izay miatrika farany ireo mpiray tanindrazana lavon’ny Covid-19, milevina eny an-toerana. Rariny dia rariny tokoa, araka izany, raha tohanana ara-pitaovana izy ireo ho fiarovan-tena amin’ny mety hahazoana ny aretina indray. .
Fandraisana andraikitra
Nanamafy ny filohan’ny Vaomieran’ny sosialy, fidiovana, ary fahasalamana eo anivon’ny filan-kevitry ny tanànan’Antananarivo, Ramiandrisoa Hery August, fa isany antoka handresena ity valanaretina Covid-19 ity ny fifanampiana. Araka ny fanazavana, efa nisy fotoana nanaovana fidinana ifotony teny amin’ny Fasam-bahiny Anjanahary. Fotoana izay nahatsapana fa tsy ampy fitaovana ireo mpiasa eny an-toerana, indrindra eo amin’ny lafiny fiarovan-tena, ka nahatonga izao hetsika izao. Nanamafy ny teo anivon’ny mpanolotsain’ny tanàna avy amin’ny antoko Freedom, fa na dia ilaina aza ny tsikera, tsara kokoa raha tonga dia fandraisana andraikitra mivantana toy izao no hatao, mba ho porofo mivaingana amin’ny fifanomezan-tanana.


