
SamihafaSosialy
MPIANATRA AVY ANY SINA : Mangataka ny hanefana ireo vatsim-pianarana tsy voaloa
Nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy Mahamasina ireo mpianatra nianatra avy any Sina. Nangataka ny hanefana ireo vatsim-pianarana tsy voaloha hanefana ny trosan’ny Oniversite nianara’izy ireo nandritra ny 5 na 6 taona izy ireo. Maniry ny hihaona mivantana amin’ny Filohan’ny Repoblika izy ireo…

Vonona ny hamaly babena ny Firenena ireo mpianatra nianatra avy any Sina, raha ny nambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy Mahamasina. « Tsy mena-mitaha amin’ny Firenena Tandrefana mahazatra ny diplaomanay nianatra tany SIna. Koa aoka tsy ho voailikilika izahay, satria ny avy any amin’ny Tandrefana matetika no raisina amin’ny fanomezana asa. Manana tombony anefa izahay, amin’ny fahaizana tenim-pirenena vahiny sy ny fahafantarana an’i Sina satria eken’izao tontolo izao fa matanjaka tokoa ity Firenena ity ankehitriny », hoy i Frecko Aldo isan’ireo mpianatra nianatra tany Wuhan Sina. Vonona ny hanome ny fahaizany ho an’ny Tanindrazana nipoirana izy ireo fa tsy ho sanatria miandry ny « Fisandratana amin’ny 2030 » sanatria, raha ny fanambarana. Nasongadin’ireto mpianatra avy any Sina ireto fa maro amin’izy ireo no nahavita fianarana no tsy notolorana diplaoma. Koa miantso vonjy ny Fitondrana ankehitriny izy ireo, mba handoa ireo vatsim-pianarana hanefana ny trosan’ny Oniversite nianaran’izy ireo nandritra ny 5 na 6 taona izay.
« Matoky izahay Atoa Filoha, fa tsy ho kamboty manana anao ary tsy ho hataonao ambany noho ireny mpiasa an-trano nampodiana tany Liban sy Koweït ireny, na noho ireo sokajin’ampela sahirana nomenao fanampiana »,
hoy hatrany ny antson’ireto mpianatra nianatra avy any Sina ireto.
Tsy mbola tafahaona mivantana
Ireto mpianatra ireto dia tanora avy amin’ny Faritra 22, ary nalefan’ny Filoha Rajoelina Andry nianatra tany Sina, fony izy nitantana ny Tetezamita, nandritra ny taona 2011-2012. Nony niova anefa ny mpitantana ny Firenena dia lasa ankilabao tanteraka ny fanefana ny vatsim-pianaran’ireo mpianatra nandranto fahaizana tany Sina ireo. Koa mba hamahana ny olan’izy ireo, dia maniry ny hihaona mivantana amin’ny Filohan’ny Repoblika ireto mpianatra ireto.
Notsiahivin’izy ireo fa tsy nampihemotra ny Filoha ny Vatsim-pianarana an-tapitrisany maro niantohana ny fianaran’ireo ankizy tany Sina satria natokisany hampandroso an’i Madagasikara rehefa tafaverina. Talohan’ny fialany teo ami’ny Fitondrana tetezamita, mbola nitsidika sy nampahery ireo mpianatra ireo tany Beijing ny Filoha Andry Rajoelina. Tsy nohadinoin’ireto mpianatra ireto no nisaotra ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny soa marobe vitany tamin’ny nanohanana azy ireo. Misy tamin’ireo mpianatra no lasa teknisianina ambony, Injeniera isan-tokony, ary nahazo Doctorat samihafa.



