Non classé

MPIARA-MIOMBON’ANTOKA: Nanolotra fanampiana ho an’ny Fanjakana malagasy

Fitaovana fiarovan-tena sy fanafody isan-karazany, mitentina hatramin’ny 2 751 200 000 Ariary, no nanolotry ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS) sy ny UNFPA, omaly tetsy amin’ny CCO Ivato, ho an’ny Fanjakana malagasy. Ny minisitry ny Atitany, Razafimahefa Tianarivelo, sy ny minisitry ny Fahasalamana, Pr Ahmad Ahmad, no solotenam-panjakana nandray ny fanampiana teny an-toerana. Ny solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara, Charlotte Faty Ndiaye, kosa no tonga nanolotra izany, omaly. Araka ny fanazavan’ity farany, natao indrindra izao fanampiana izao ho famaliana ireo filàna fototra ilaina ao anaty Hamehana. Tafiditra ao anatin’izany fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina, amin’ny alalan’ny fampitaovana ireo tobim-pahasalamana rehetra mandray marary. Tsara ny manamarika fa isany nandray anjara tamin’izao fanampiana izao koa ny sampan’ny firenena mikambana hafa, miasa eto Madagasikara, toy ny PNUD sy ny PAM, eo koa ny Croix Rouge Malagasy. .
Fitaovana maro
“Concentrateur d’oxygène” miisa 23, seza misy kodiarana 40, fandriana sy lambam-pandriana maro, fakana mari-pana an’anarivony, miampy ireo karazana fanafody ilaina amin’ny fitsaboana maika no natolotra omaly. Nanampy ireo koa ny arotava an’hetsiny maro, aro-kiraro 40 400, aron’akanjo 2 254, sy ireo sisa tsy voatanisa. Nanome toky ny minisitry ny fahasalamana, izay nandray nyfanomezana omaly, fa hanatsara ny fandraisana an-tanana ireo marary ireo fampitaovana ireo. Ary koa, hampitombo ny fiarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana miatrika mivantana ireo marary. Nilaza ny solontena maharitry ny OMS monina sy miasa eto Madagasikara, Pr Charlotte Faty Ndiaye, fa manohy ny ezaka ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy izy ireo, ary eo anilan’ny Governemanta malagasy hatrany ihany koa. Ity tompon’andraikitra ity izay nidera ny ezaka rehetra efa nataon’ny Fitondram-panjakana malagasy hatreto, manodidina ny ady amin’ny Covid-19. “Mila miray hina isika eo anatrehan’ny valanaretina Covid-19, ary tokony ho samy hanaja tsara daholo ny fihetsika sakana mba hahafahana mametra ny fipariahan’ny Covid-19”, hoy izy nanazava.

Tags
Fermer