Songadim-baovaoSosialy
MPIASAN’NY CTC-19 SY HOPITAL/HOTEL : Fikirakirana antontan-taratasy no nahatara ny fandoavana ny karama
Nisy ny fanampiana isa ireo toerana nahafahana nandray ireo mararin’ny Covid-19 teto amintsika nandritra ny fiatrehana ny andiany faharoa tamin’ny valanaretina Covid-19. Nisy koa, araka izany, ny filàna olona, ka antony niantsoan’ny Fanjakana ireo mpiasan’ny Fahasalamana vonona hifanolo-tanana amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary. Nisy fifanarahana arak’asa mazava tsara mandritra ny heritaona nataon’ny Fanjakana niaraka tamin’izy ireo. Amin’izao fotoana, misy ireo mpiasa mitaraina ho tsy mbola misitraka ny karamany, araka ny voafaritra ao anatin’ny fifanarahana. Nitondra fanazavana, araka izany, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, fa efa nisy ireo andiany voalohany nisitraka karama. Misy kosa ireo ambiny tsy mbola nisitraka ny anjarany, noho ny fahaelan’ny fikarakarana ny antontan-taratasy mahakasika azy ireo. “Hatramin’ny androany maraina dia efa nisitraka ireo andiany faharoa nitaraina ho tsy mbola nahazo ireo, ka karama telo volana no noraisiny”, hoy ny Minisitra omaly.
Handray karama mandritra ny herintaona
Raha tsiahivina dia maherin’ny 800 ireo mpiasan’ny Fahasalamana noraisina tamin’ny fiatrehana ny “2eme vague”. Notsindrian’ny Minisitra anefa fa miankina tamin’ny nanombohan’izy ireo niasa no handoavana ny karama. Fotoana izay nanamarihany fa natao mitovy amin’ny karamam-panjakana mifanaraka amin’ny adidy sy andraikitra ataony ny vola nomena azy ireo. Tsara tsindriana fa heritaona ny fifanarahana arak’asa natao. Izany hoe, handray karama ireo mpiasa ireo mandritra ny herintaona.
Eo anatrehan’ireo rehetra ireo, nanambara ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka fa tsy lafiny ara-bola no olana mahatara ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa ireo, fa fikirakirana antontan-taratasy noho ny sasany amin’izy ireo taraiky vao nanao fifanarahana. Mitovy amin’izany ihany koa ny mahakasika ireo tambin-karama manokana. Mbola ny lafiny fikirakirana antontan-taratasy ihany koa no voalaza fa antony mahatara ny fandoavana izany.



