SamihafaSongadim-baovaoSosialy
MPIASAN’NY FAHASALAMANA : Mahazo fiofanana momba ny « humanisation des soins »
Voateny matetika ho tsy manaja marary sy ratsy fandray ireo olona tonga manatona toeram-pitsaboana ireo mpiasan’ny fahasalamana eto Madagasikara. Betsaka ireo efa nanao fitarainana momba izany. Ary nisy koa ny fandraisana fepetra mahakasika izany. Misy fitondran-tena tokoa takiana amin’ny asa fitsaboana. Antony hanomezan’ny Minisiteran’ny Fahasalamambahoaka fiofanana momba ny « humanisation des soins » ireo mpiasan’ny fahalasamana.
Velirano fahadimin’ny Filoha Andry Rajoelina ny Fahasalamana ho an’ny rehetra, amin’ny fotoana rehetra. Efa maro ny ezaka natao hahatrarana izany vina izany, toy ny fananganana fotodrafitrasa vaovao fitsaboana sy ny fampitaovana ireo hopitaly maro eto amin’ny firenena. Fa ankoatra izay koa, mitana anjara toerana lehibe amin’ny fitsaboana ny marary ny kalitaon’ny fandraisana azy eo am-pahatongavana amin’ny Tobimpahasalamana na Toeram-pitsaboana iray. Fanambin’ny mpitondra ankehitriny rahateo koa ny hahafahan’ny rehetra mahazo fitsaboana tsara kalitao sy manaja ny mahaolona. Tsy misy sokajin-taona io fa tafiditra ao daholo na zaza na lehibe. Mandray anjara mavitrika amin’ny fampiharana izany ny eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Eo anatrehan’izany, mpiasan’ny fahasalamana maro no efa nahazo fiofanana mikasika ny « humanisation des soins ». Lamina maro karazana no efa napetraka ahafahantsika rehetra misitraka izany. Nandritra ny tafatafa niarahan’ny Minisitra, ny Profesora Rakotovao Hanitrala Jean Louis, tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ao amin’ny Faritra Betsiboka, ny alahady lasa teo no nanamafisany izany. « Izay marary andrianina… », marina izany ary manaja izany ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana ny Nosy izay tsy nitandro hasasarana na amin’ny ady amin’ny Covid-19 na amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika any Atsimo izao », hoy ny avy eo anivon’ny Minisitera tompon’andraikitra. Ity farany izay manentana ny vahoaka hatrany mba hanaraka ireo fepetra sy lamina eny anivon’ireny Tobimpahasalamana ireny izay antoka iray mampirindra ny fitsaboana ho tombotsoan’ny rehetra izay mampiasa azy.




