Songadim-baovaoSosialy
MPIASAN’NY FAHASALAMANA : “Tsy andraikitry ny sendika ny manala na mametraka olona amin’ny toerany”
Manoloana ireo fanambarana maro samihafa ataon’ireo mitonona ho sendikan’ny mpiasan’ny fahasalamana dia nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ireo Vondron’ny Mpiasan’ny Fahasalamana, ahitana Mpitsabo, Infirmiera, Mpampivelona, Dokotera farmasiana, Mpandraharaha, Mpitantana, Dentiste sy teknisana ara-pahasalamana. Nambaran’izy ireo fa zo fototra ny mitaky sy maneho hevitra am-panajana fa kosa araka ny sata mifehy ny sendika.
Miaro ny zon’ny mpiasa sy manelanelana ny Mpitantana sy ny mpampiasa, ny Sendika, hoy ny fanambarana. Tsy andraikitry ny sendika kosa ny manala olona na mametraka olona amin’ny toerana. Tsy tokony ho fitaovana hitadiavam-boninahitra na hanafenana olana ny sendika, hoy hatrany ny Mpitondra tenin’ireo Mpiasan’ny Fahasalamana.
Melohin’izy ireo ny herisetra atao amin’ny mpiasan’ny fahasalamana ary toherina ny fanenjehana noho ny hevitra tsy mitovy. Manamafy izy ireo fa ny sehatry ny fahasalamana dia mitaky fahatokisana sy fiaraha-miasa eo amin’ny rehetra. Fanampin’izay, mitaky ny fanajàna hatrany ny safidin’ny mpiasa tsirairay ihany koa izy ireo, ary niantso ny Fitondram-panjakana hiaro ireo mpiasan’ny fahasalamana manatanteraka ny asany.
Nangonin’i LR.




