PolitikaSongadim-baovao
MPIFIDY VAVENTY TSY AVY AMIN’NY FANJAKANA…: Vonona hampandany ny kandida Loholona IRMAR
Tsy to teny amin’ireo olom-boafidiny intsony ny ireo antoko lehibe sasany eto amin’ny firenena ankehitriny. Lohalisitra amin’izany ny antoko Tim izay manao tsindry amin’ireo mpifidy vaventiny tsy hifidy amin’ny zoma izao. Omaly anefa, nanao fanambarana ny Hetsiky ny olom-boafidy ifotony, hivondronan’ireo mpifidy vaventy tsy lany tamin’ny antokon’ny Fitondrana, fa vonona hampandany ny kandida Loholona miaraka amin’I Andry Rajoelina (Irmar) rehetra.
Manamafy ny fahavonony hanohana ny Fitondrana amin’ny fifidianana Loholona amin’ny zoma izao, ireo mpifidy vaventy tsy lany tamin’ny antokon’ny fitondrana tamin’ny kaominaly farany teo, izay mivondrona ao amin’ny “Hetsiky ny olom-boafidy eny ifotony”. Nanao fanambarana izy ireo omaly fa mijoro ho hery politika eto amin’ny firenena, ahitana ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna. Amin’izao fotoana dia efa maherin’ny 500 ireo olom-boafidy mivondrona ao anatin’ity hery ity, izay ahitana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina, avy amin’ireo kaominina 123. Izy ireo izay avy amin’ny Faritra Itasy, Bongolava, Analamanga, ary Vakinankaratra, araka ny fanazavan’i Andrianome Laza, Ben’ny tanànan’i Mandrosoa, Distrikan’Andramasina. Tanjona iraisana hoy izy, ny fanomezan-kasina ny olom-boafidy eny ifotony. Eo koa ny fanatsarana ny fahaiza-manaon’izy ireo mba tena hiainga avy eny ifotony tokoa ny fampandrosoana. Zava-dehibe, hoy izy ireo, ny famerenana ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra sy ny fanamafisana ny fiarahamiasa amin’ireo mpiara-miombona antoka, na eto an-toerana na avy any ivelany. Nanambara Rakotonirina Haja Arhtur, Ben’ny tanànan’Androvakely, Distrikan’Anjozorobe fa ampirisihana ny hiitaran’ny hetsiky ny olom-boafidy eny ifotony manerana an’I Madagasikara. Mbola nanamafy izy ireo fa manohana ny Fanjakana mijoro ankehitriny. Vonona izahay hifidy sy hampifidy ny kandida Loholona hatolotry ny lisitra Isika rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina manerana an’I Madagasikara.
Fanekena tamin’ny vahoaka
Tsara marihana fa hijoro hatrany ny hetsika aorian’ny fahavitan’ny fifidianana mba hanamafisana ny tena fanohanana ny Filoha Rajoelina sy ho fampandrosoana ny firenena. “Izahay dia nanao fanekena tamin’ny vahoaka, izany hoe, izay mahasoan’ny vahoaka no jerenay. Tsapanay fa ny fiarahana miasa amin’ny Fitondrana mijoro ankehitriny no hahazoanay ny fampandrosoana mipaka eny amin’ny vahoaka. Midika izany fa tsy ilàna ny hevitry ny patron politique izany”, hoy hatrany Rakotonirina Haja Arhtur. Nohamafisiny fa ny vahoaka eny ifotony dia tsy mijery loko politika fa mijery olona. “Matoa lany izahay, na tsy niaraka tamin’ny Fitondrana aza tamin’ny fotoan’androny, dia izahay amin’ny maha izahay anay no nojeren’ny vahoaka sy nisafidianany anay”, hoy hatrany izy.
Ho an’ny distrikan’Anjozorobe manokana, efa nanaovan’ny Governoran’Analamanga fidinana ifotony manokana, nijerena sy nihainoana ireo olana iainan’ny Kaominina tsirairay. Izany fiovan’ny fitantanana sy fomba fiasa izay no naharesy lahatra ireo mpifidy vaventy any an-toerana hanohana ity Fitondrana mijoro ity.
Tsy tokony hanary zo
Etsy ankilany, nilaza Rakotovazaha José Ignace, Ben’ny tanànan’I Miarinarivo, fa vonona hanatanteraka ny adidiny amin’ny fifidianana Loholona ny zoma izao izy ireo. “Vonona izahay hitandro toy ny anaka andriamaso ny fihavanana ka hanaja ny safidin’ny tsirairay”, hoy ny fanambarana. Nilaza ny ho vonona hikatsaka hatrany ny soa iombonana sy ny fampandrosoana ho an’ny kaominina iadidian’izy ireo tsirairay avy ihany koa izy ireo. Eo anatrehan’izany, miantso ireo vondron-kery tsy ankanavaka eto amin’ny firenena izy ireo mba hifanome tanana ho fampandrosoana an’I Madagasikara. “Ndao hamita ny adidy isika mpifidy vaventy, ary tsy hanary ny zo nomen’ny lalàna sy ny didy aman-dalàna, ka ho tonga hifidy, ary hanentana ireo mpifidy vaventy rehetra namantsika hifidy ny lisitra Isika rehetra miaraka amin’I Andry Rajoelina”, hoy ny fanambarana.
“Resy lahatra izahay ben’ny Tanana sy mpanolo-tsaina rehetra aty amin’ny faritra Bongolava izay lany tamin’ny antoko samihafa sy mahaleotena fa tsy misy adihevitra intsony ny fiaraha miasa amin’ny amin’ny filoham-pirenena sy loholona atolotry ny Ird . Azo antoka ny fampandrosoana ary mila fiarahamiasa ny fanatanterahana ny veliranon’ny filoham-pirenena eny anivon’ny kaominina tsirairay avy”. Io no fanambaran’ny fikambanana mpifidy vaventy manohana ny loholona arotsaky ny Ird, ahitana ben’ny Tanana miisa 30 sy mpanolontsaina 210 .




