PolitikaSongadim-baovao

MPIKAMBAN’NY GOVERNEMANTA: Hanolotra amin’ny Filoha ireo Tolo-keviny ny Praiminisitra anio

 Nanamafy ny Serasera avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika omaly fa hivoaka amin’ny fomba ofisialy amin’ny faran’ity herinandro ity ny anaran’ireo Mpikambana vaovao handrafitra ny Governemanta Ntsay Christian. Raha ny fandaharam-potoana kosa dia amin’ity anio ity ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta no hanolotra ireo Tolo-keviny amin’ny Filohan’ny Repoblika.   

Miroso amin’ny fifantenana ny Minisitra ho mpikambana eo anivon’ny Governemanta ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Praiminisitra Ntsay Christian ankehitriny. Araka ny efa nambaran’ny Filoham-pirenena dia ho hentitra ny sivana sy ny fepetra eo amin’ny fanendrena. Hisy ny fanadihadiana sy ny fifantenana lalina ary anisan’ny mason-tsivana ny haitarika, ny mari-pahaizana sy ny traikefa fa indrindra tsy maintsy olom-pirenena vonona hanompo ny vahoaka ary hikatsaka ny tombontsoan’ny firenena sy ny soa iombonana no ho tendrena.

“Izao fomba fiasa izao dia efa taratra sahady ny fahavononan’ny Filoham-pirenena ny hametraka Fanjakana tsara tantana amin’ny alalan’ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly”, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Araka ny fandaharam-potoana dia anio alakamisy 11 janoary 2024 no hanolotra amin’ny Filohan’ny Repoblika ireo tolo-kevitra avy aminy ny Praiminisitra ary ny farany herinandro izao no hahafantarana ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta vaovao. Izany dia mifanaraka amin’ny voalazan’ny andininy faha-54 ao amin’ny Lalàmpanorenana manao hoe “Ny Filohan’ny Repoblika no manendry ny mambra ao amin’ny Governemanta sy mampitsahatra azy ireo amin’ny asany, araka ny tolokevitra avy amin’ny Praiminisitra”.

Andrasana fatratra izay mety ho endrik’ity Governemanta vaovao hotarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ity. Isan’ny nanaitra ny maro ny lahateny nataon’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, nandritra ny lanonam-pianianana lehibe teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 16 Desambra 2023 izay nanambarany fisokafana. Notsindriany tamin’izany fa misokatra amin’ireo izay vonona hampandroso izy. Ary tamin’ny fotoana nambarany tamin’ny fomba ofisialy ny Praiminisitra dia mbola niverenany noresahina ny mahakasika ireo Minisitra. Ary tamin’izany indrindra no niresahin’ny Filoha Andry Rajoelina ny fahafaha-manatitra antontan-taratasy amin’ireo manam-pikasana ho eo amin’ny toeran’ny Minisitra.

Marihina fa fisokafana amin’ireo olona ivelan’ny Antokon’ny Filoha no noresahina. Mety hisy, araka izany, ny olona avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, na fiarahamonina ara-toekarena sy ny sisa, handrafitra ny Governemanta. Mazava ny Tanjona, dia hanomezana aim-baovao indray ny Governemanta hahafahana manafaingana ireo asa tena ilain’ny vahoaka.

Fermer