Songadim-baovaoSosialy
MPIKAROKA FANDIKAN-DALÀNA : Kaomisera sy Ofisie miisa 80 avy amin’ny andiany « MANAMPI » nahavita fianianana
Ho fanamarihana ny fandraisan’andraikitra maha mpikaroka fandikan-dalàna ireo Polisy nahavita fiofanana Kaomisera sy Ofisie dia manatanteraka fianianana noho izany. Ny avy amin’ny andiany indray mihira MANAMPI no nanatanteraka izany, omaly, teny amin’ny Fitsarana Anosy. Miisa 80 mianadahy, miandahy miambavy izy ireo, ka Kaomisera miisa 30, ary Ofisie 50. Aorian’izao fianianana atao izao dia samy handray ny andraikitra nanendrena azy avy ireo Polisy kaomisera sy Ofisie voalaza. Marihina, fa ny Kaomisera sy Ofisie rehetra dia tsy maintsy mandalo io fiofanana mpikaroka fandikan-dalàna io avokoa, mialohan’izao fanaovana fianianana izao. Nambaran’ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Polisim-pirenena izay nanatrika izao fotoam-pitsarana fandraisana fianianana izao, amin’ny maha fianianana azy, fa anisany fototr’asan’ireo Polisy nahavita fiofanana avy amin’ireo sokajy voalaza ireo ny maha mpikaroka fandikan-dalàna azy. Etsy andanin’izany, nisy ny hafatrafatra natao azy ireo mba ho tena Mpitandro filaminana hikaroka ny marina anatin’ny raharaha iantsorohany avy ny tsirairay, ary indrindra mba ho Polisy modely amin’ny asa sahaniny na oviana na aiza toerana hiseharan’izy ireo. Ao anatin’izany fikarohana fandikan-dalàna izany ny tsy fijerena tavan’olona na saranga fa samy mitovy daholo eo ambany lalàna. Anisan’izany ny ady amin’ny kolikoly sy ny tandro hasin’ny Polisim-pirenena, ary ny fijoroana ho rehereha amin’ny marina sy ny mangarahara tanteraka amin’ny fanomezan-danja ny maha olona, araka ny vinan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Eo koa ny fijoroana amin’ny tarigetran’ny « Polisy miaro sy manampy vahoaka ». Tonga nanatrika ity fotoam-pitsaràna ity Ramatoa Talen’ny Fikarohana sy Fiofanana mitohy eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police Rasoamananjara Pierette Marie Françoise izay nisolo tena ny Minisitry ny Filaminambahoaka.
Stan R.



