Songadim-baovaoSosialy

MPISOLOKY HO MPIASAN’NY JIRAMA: Mila mailo rehefa mitaky vola ireo mpanao fitsirihana

Nirongatra tato ho ato ny fisolokiana ho mpiasan’ny Jirama ka hararaotin’ireo olon-dratsy hahazoana vola amin’ny mpanjifa sy angalarana ny fitaovan’ny orinasa izany. Tranga niparitaka omaly ny fisiana roa lahy niditra tamin’ny tokantrano iray. Tsy nisy olon-dehibe tao ka nohararaotin’ireo olona ireo ny ankizy tao an-trano. Nitonona ho mpiasan’ny Jirama izy ireo ka efa eo am-panongotana ny “compteur” no tonga tampoka ny tompon-trano. Mailo avy hatrany ity farany. Nangataka ny hamoahana ny taratasy avy amin’ny Jirama manamarina fa tena hanala ny fitaovana tokoa izy ireo, sy ny “badge” maneho fa tena mpiasan’ny Jirama. Nihenahena be izy ireo, hoy ny fitantaran’ny lasibatra, ka ny iray ihany no nampiseho “badge” izay tsikaritra avy hatrany fa sandoka. Mbola nandrahona ny tompon-trano moa izy ireo ka nolazainy fa mangalatra jiro io tokantrano io. Noho izany dia tsy maintsy hesorina ny “compteur”. Ary mila manefa vola mitentina 10 000 000Ar raha tsy izany entina any amin’ny birao ny sary ary migadra. Tsy nanaiky lembenana ny lasibatra. Niala maina ireo mpisoloky.
Ankoatra io, nitaraina ihany koa ireo mponina any amin’iny faritra Ambohimangakely iny fa nisy olona nisalotra fanamiana mpiasan’ny Jirama sy nitondra “badge” tamin’ny andro amin’ny 05 ora hariva tany amin’izy ireo, mangalatra ireo taribin’ny Jirama. Alain’izy ireo amin’izany ny tariby amin’ireo Jiro Mora. Efa ho 500M ny tariby nalan’izy ireo tamin’ny andrin-jiro. Herinandro taty aoriana vao fantatry ny mponina fa mpisoloky izy ireo. Nalefa any amin’ny Jirama ny fitarainana.
Mialoha ireo tranga ireo, efa nandefa filazana fikarohana olona maromaro mpisoloky ho mpiasa ao aminy ihany koa ny Jirama.

Manoloana ireo tranga ireo, miantso ny mpanjifa mba ho mailo hatrany io orinasa mpitsinjara herinaratra sy rano fisotro madio eto Madagasikara io. Nomarihin’izy ireo fa tsy tokony hitaky vola amin’ny mpanjifa mihitsy ny mpiasan’ny Jirama mpanao fitsirihana. Raha misy izany tranga izany, azo atao tsara ny miantso ny Jirama sy maka sary ireo olona ireo. Zon’ny mpanjifa ihany koa ny mijery ny “badge” sy ny taratasy maniraka ireo mpanao fitsirihana tonga any aminy. Tsy maintsy manana ireo ny mpiasa midina any an-tokantrano. Vakiana tsara ny voafaritra ao anatin’io taratasy maniraka (ordre de mission) io. Jerena raha mifanaraka amin’izany ny asa tanterahany eny an-kianja. Mila mailo avy hatrany ny mpanjifa raha tsy izay no zava-miseho.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer