PolitikaSongadim-baovao
MPITARIKA NY SECES SY NY RANDRANA SENDIKALY: Hadihadiana noho ny fitaomana ny Tafika hikomy
Efa tena mivaona tanteraka amin’ny fitakiana sendikaly no nataon’ny Filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces) Sampana Antananarivo, ny Profesora Sammy Grégoire Ravelonirina sy ny Filohan’ny Randrana Sendikaly Barson Rakotomanga, izay niantso ny Tafika malagasy handray andraikitra manoloana ny ambaran’izy ireo fa zava-misy eto amin’ny firenena. Fiantsoana fikomiana no nataon’izy ireo, izay maha voasazy araka ny voalazan’ny fehezan-dalàna famaizana.
Nandritra ny fotoana naharitra no efa nahafantarana fa mirona mankany amin’ny fanoherana ny mpitarika eo anivon’ny Sendikan’ny Mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra (Seces) sampana Antananarivo, izay tsy hafa fa ny Profesora Sammy Grégoire Ravelonirina. Hetsika maro no efa nataon’ny Seces, toy ny fampikatsoana ny fampianarana eny amin’ny Oniversite, ny fanomezana Ultimatum, ary ny fanaovana oniversite maty mihitsy. Mazava ho azy anefa fa ireo mpianatra hatrany no lasibatra ao anatin’izany, fa izy ireo kosa dia afaka mampianatra eny amin’ny Oniversite tsy miankina, ary mahazo vola, ankoatra ny karama raisin’izy ireo isam-bolana amin’ny maha mpiasam-panjakana. Tao anatin’izany dia nandefitra hatrany ny Governemanta sy ny Minisitera mpiahy.
Ny 10 novambra 2023 teo, dia nisy ny taratasy nalefan’ny Filohan’ny Seces sy ny Filohan’ny Randrana Sendikaly, Barson Rakotomanga, tany amin’ny Kaomandin’ny Etamajaoron’ny Tafika malagasy izay nambara fa antso fandraisana andraikitra ho an’ny firenena. Nolazain’izy ireo tao anatin’io taratasy io fa maro ny fandikan-dalàna eto amin’ny firenena, ary miverimberina ny fanolanana ny Lalàmpanorenana, ary iharan’ny fanenjehana izay manao fihetsiketsehana. Tsy nihambahamba, araka izany, ireto mpitarika sendikaly ireto nilaza fa tsy misy intsony ny Governemanta eto amin’ny firenena, ka miantso ny Tafika mba handray an-tanana ny famonjena ny firenena miaraka amin’ireo Raiamandreny ara-drazana sy ny ara-pinoana, ireo avara-pianarana, ary ireo sendika.
Fandikan-dalàna!
Raha ireo tranga rehetra ireo no jerena dia feno tanteraka ny fepetra ilazana fa fandikan-dalàna no nataon’ireto mpitarika sendikaly ireto, satria sady nisy ny finiavana hanohintohina ny fiandrianam-pirenena, izay singa ara-moraly, tamin’ny alalan’ny firaisana petsapetsa tamin’ny Vondron’ny Kandidà. Nisy koa ny singa ara-materialy tamin’ny famoahana iny taratasy fiantsoana fikomiana ny Tafika iny. Ary farany ny singa araka ny lalàna, dia ny fisian’ny andininy faha-92 ao amin’ny fehezan-dalàna famaizana izay manambara fa maha voasazy ny fiantsoana ny tafika hikomy. Mazava ny voalaza ao amin’io andininy faha-92 fa fanamelohana ho faty no sazy ho an’izay mitsangana, na mampitsangana mpitandro filaminana mitana fitaovam-piadiana, tsy misy alalana avy any amin’ny fahefana manan-kery. Izany hoe, azo sokajiana ho heloka bevava matoa fanamelohana ho faty no sazy miandry.
Tsy mitombina mihitsy, araka izany, ny resaka iniana aely ankehitriny izay milaza fa iharan’ny antsojay ireo mpitarika sendikaly. Eo koa ny resaka voizina amin’ny hoe ataon’ny Fanjakana tsinontsinona ny fampianarana sy ireo mpampianatra mpikaroka. Kanefa ireo heverina ho avara-pianarana aza tafalatsaka amina fandikan-dalàna goavana toy izao noho ny resaka politika. Hatramin’ny ora nanoratanay omaly dia mbola voatazona eny amin’ny Biraon’ny Zandary ireto mpitarika sendikaly ireto.
Ny Fanoratana.



