PolitikaSongadim-baovao

MPITARIKA POLITIKA MENDRIKA ATY AFRIKA: Nahazo ny mari-pankasitrahana ny Filoha Andry Rajoelina

Notontosaina afakomaly tao amin’ny Trano fandraisam-bahiny Marriott, ao Casablanca, Maroc, ny lanonana fanolorana ny mari-pankasitrahana “Persons of the Year”. Ity fifaninanana ity izay karakarain’ny gazety boky African Leadership Magazine (ALM). Isan’ireo nahazo ny mari-pankasitrahana ny Filoha Andry Rajoelina, izay voafidy ho “Leader politique africain de l’année”.  Araka izany, namaly ny fanasan’ny « African Leadership Magazine » ny Filoha Rajoelina sy ny Ramatoa vadiny, Mialy Rajoelina, nanatrika ny lanonana fanolorana ny mari-pankasitrahana ho an’ireo “Persons of the year”. Vahiny nasaina manokana moa, ny Filoham-pirenena mivady tamin’ny ity lanonana fanolorana mari-pankasitrahana ity.  Jakaya Kikwete, filohan’i Tanzanie teo aloha, no sady filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny ALM, izay notronin’i Ken Giami, mpanorina sy tale jeneralin’ny ALM, no nanolotra ny mari-pankasitrahana ny Filoha Andry Rajoelina. Marihina fa nahazo “Standing ovation” ny Filoham-pirenena tamin’izy nandray ny “prix du Leader politique africain de l’année”. Nifanosehana ny haka sary azy, sy ny haka « selfie » niaraka aminy.

Salanisa ambony 65,69%

Nahazo ny salanisa ambony indrindra tamin’ny fifidianana ho “Leader politique africain de l’année”, ny Filoha Rajoelina. 65,69% no azon’ny Filoha Malagasy. Nifaninana taminy nandritra izany fifidianana izany ny Filohan’i Seychelles, Wavel Ramkalawan (20,48%), sy ny filohan’i RD Congo, Félix Tshisekedi (13,83%), nandritra ity andiany faha-14-n’ny fifaninanana « Persons of the Year » natao tao Casablanca ity. Misy sokajy 13 ireo mari-pankasitrahana azo amin’ny “Persons of the year”, ary ny “Leader politique africain de l’année”, no iray amin’ireo sokajy telo lehibe indrindra. Isan’ireo Filoha afrikanina efa nahazo izany ny Filohan’i Ghana, Nana Akufo-Addo, tamin’ny 2021, ny Filohan’i Rwanda, Paul Kagame, tamin’ny 2020.

Ny mampiavaka ity fifaninana karakarain’ny ALM ity dia ireo olon-tsotra no mifidy amin’ny alalan’ny fifidianana amin’ny aterineto, izay mahazo ny loka. Misy dingana roa koa ny famaritana ireo izay ho fidina hahazo ireo mari-pankasitrahana anatin’ny “Persons of the year”. Ny dingana voalohany, ireo mpamaky no asaina mamaritra izay tokony ho “nominés”. Ny “comité éditorial” an’ny ALM avy eo no mametra ireo izay hofidina amin’ireo sokajy 13.

Fampivoarana ny firenena

Any Londres no misy ny foiben’ny ALM, ary mivohy ny “Panafricanisme”, ity gazety boky ity. Isan’ny fenitra andrafetana ireo izay ho fidina “Persons of the year”, ny fivoizana sy fiarovana ny “Panafricanisme”. Isan’izany ny Filoha Rajoelina, izay mivoy sy miaro ny fiaraha-miasa sy fifanohanana eo amin’ny samy firenena afrikanina, ary koa ny fiaraha-miasan’ireo firenena amin’ny ila-bolatany Atsimo, na “coopération Sud-Sud”. Eo koa ny fiadina ny fampitomboana ireo famatsiam-bola azon’ny firenena afrikanina, tahaka ny “Fonds vert pour le climat”, sy ireo famatsiam-bola enti-miatrika ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro, sy ny adisisika ahazoan’ny Afrika toerana ho mpikambana maharitra ao amin’ny “Conseil de sécurité des Nations Unies”.  Tsiahivina fa nanotrona ny Filoha mivady nandritra ity fanolorana mari-pankasitrahana ity moa ireo Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny Faritanin’i Fianarantsoa sy Mahanjaga. Teo koa ny minisitry ny Toe-karena sy ny Vola, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, sy ny minisitry ny  Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Nanatrika izany lanonana izany koa Rajobson Johary, masoivohon’i Madagasikara ao Maroc.

Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer