Trangam-piaraha-monina
MPITSOA-PONENANA : Vedety roa nitondra somalianina sarona, olona 48 voavonjy
Vedety nitondra somalianina no hitan’ny mpanjono tany ampovoan-dranomasina, omaly ka nentin’izy ireo tany amin’ny Nosy Iranja. Ilay vedety voalohany, dia nitondra olona 32, raha nitondra olona 38 kosa, ilay faharoa. Efa natsingevan’ny rano ny sambo nitondra ireo voalohany, ary efa nahitana olona maty koa tao anatiny. Nahita izany ny sefo fokontany ao Nosy Iranja, kaominina ambanivohitr’i Bemanevika Andrefana, distrikan’Ambanja, ka nampandre haingana ny zandary avy ao min’ny zana-tobim-paritra ao Ankingameloka. Tonga teny an-toerana ny zandary ka tao anatin’ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa teratany somalianina 70 isa ireto niondrana tao anaty sambo ireto nikasa hitsoa-ponenana. Niala tany Somalia, ny 02 novambra, ireto somalianina ireto, ary saika hiondrana ho atsy Mayotte, kanjo nisy tsy fahatomombanana ny moteran’ny sambo nitondra azy ireo nony tonga tany afovoan-dranomasina. Vokatr’izany, reraky ny hanoanana sady tsy nisotro rano ireo niharam-boina. Voalaza fa maro tamin’izy ireo no efa namoy ny ainy teny ambony sambo, saingy efa nariana any an-dranomasina. Omaly maraina, tao amin’ny Nosy Iranja, ireto somalianina ireto ka efa nisy olona telo maty. Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo tao an-toerana, olona roa hafa koa namoy ny ainy. Miisa 25 isa no velona ka niroso tamin’ny asam-pamonjena azy ireo ny zandary. Ilay vedety iray faharoa kosa, tonga tao amin’ny seranan-tsambo Cratère, Daresalam Nosy Be, dia nitondra olona 23. Olona fito no namoy ny ainy ka vehivavy avokoa izy ireo. Raha atotaly, mahatratra 48 ireo voavonjy. Nentina hanaovana fanadihadiana izy ireo, saingy mbola hanaovana fizaham-pahasalamana satria ahina ho mitondra valanaretina. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
Rado Harivelo




