PolitikaSongadim-baovao
NA TEO AZA NY FIHIBOHANA… : « Betsaka ny asa vitan’ny mpanatanteraka », hoy Razanamahasoa Christine
Tontosa teny amin’ny efitrano fivoriana CCI Ivato omaly ny lanonam-pamaranana ny fivoriana faharoan’ny Antenimieram-pirenena. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nilaza ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, fa betsaka ny asa vitan’ny fahefana mpanatanteraka, na dia nandalo krizy ara-pahasalamana aza ny firenena. Fotoana izay niderany ny Governemanta, noho ireo asa sy ezaka rehetra natao.
Tamin’ireo fihaonana nifanatrehan’ny Solombavambahoaka sy ny Governemanta tato anatin’ity Repoblika fahefatra ity, iny tamin’ny Talata 15 Desambra teo iny no lava indrindra, hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Naharitra 14ora tokoa mantsy ny fihaonana teo amin’ny roa tonta. Ilaina ny toy ireny, hoy izy, mba hahafahana manatevina ny traikefa amin’ny karazana adihevitra sy fihaonana tahaka ireny. Notsiahiviny fa nahatratra 107 ireo Depiote nandray fitenenana tamin’iny fotoana iny. Tafiakatra 500 kosa ireo fanontaniana napetraka tamin’ny Governemanta, ary ny 328 tamin’ireo no voavaly nivantana. Nahafahana nanao tombana ny asan’ny Governemanta iny fihaonana iny, hoy ny fanazavany. Ary tokony ho afaka hitsara na hanome naoty ny Governemanta mihitsy koa aza ny Depiote, araka ny nambarany hatrany. Raha ho an’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena manokana, nambarany fa afaka nihoatra ny Hamehana ara-pahasalamana ny mpanatanteraka. “Betsaka ny asa vita, ary tsy voasakana ny fanatanterahana ny Velirano”, hoy izy. Notsindriany manokana tamin’izany ny lafiny fotodrafitrasa. Maro rahateo koa ireo depiote nankasitraka ny Governemanta tamin’izany. “Miroso tanteraka ilay vina hoe: tsy misy distrika ho adino intsony eto Madagasikara”, hoy Razanamahasoa Christine. Fotoana izay nanipihany fa tokony hahazo ny anjarany daholo ireo mbola tsy nahazo. Tokony ho apetraka ho laharam-pahamehana hatrany koa, hoy izy, ny lafiny ara-tsosialy, toy ny jiro, rano, tontolo iainana, ny lalàna, sy ny sisa.
Esorina ny tomponandraikitra tsy mahomby
Nandritra ny fandraisam-pitenenany omaly ihany koa, nampiaka-peo mahakasika ny olan’ny Orinasa Jirama ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. “Fa inona no sakana tsy hanoloana ireo tomponandraikitra tsy mahomby ao ireo? Indrindra amin’ny sehatra iankinan’ny aim-bahoaka ohatran’io”, hoy ny nambarany. Niantso ny tokony hijeren’ny Governemanta manokana izany, araka izany, ity tomponandraikitra ity. Tetsy ankilany, nanisy resaka momba ny fitantanana ny fako eto andrenivohitra ihany koa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Nolazainy fa manantena vahaolana amin’ny resaka fako ny Solombavambahoaka, indrindra tamin’ny fahenoana fa mitaky ny hitantanana ny Samva ny avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Fa ankoatr’izay koa, niresaka mahakasika ireo karazana trangana fanolanana nisesisesy tato ho ato koa ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Mitaky fandraisana andraikitra ireny, hoy izy, indrindra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina izay mitarika ireo lehilahy hanaotao foana, ka manimba ankizy sy vehivavy maro.
Nahavita asa maro ny Antenimieram-pirenena
Volavolan-dalàna 10 no tonga teo anivon’ny Antenimieram-pirenena, hoy ny Filohany. Sivy tamin’ireo no lany, ary ny iray no nasiam-panovana. Ny iray kosa nahemotra ny fandinihana azy. Fankatoavana famatsiam-bola entina miasa amin’ny taona 2021 sy amin’ny taona ho avy rehetra ny ampahany betsaka tamin’ireo volavolan-dalàna nolaniana ireo. Tetsy ankilany, tolo-dalàna valo no nipetraka teo amin’ny tonga Antenimieram-pirenena. Efatra tamin’izany no lany nasiam-panovana. Ny iray kosa nosintonin’ny tompony. Isany asa goavana vitan’ny Antenimera roa tonta kosa anefa, hoy izy, ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2021. Nolazainy fa matotra ny fiarahamiasa teo amin’ny Antenimiera roa tonta. Maro ny teboka nasiam-panovana. Saingy nisongadina tao anatin’iny volavolan-dalàna iny kosa ny fanarenana ny tontolo ara-toekarena amin’ny fanomezan-danja ny famoronana asa. Teo koa ny fanohizana ny ezaka fanatrarana ny fahatarana eo amin’ny sosialy. Ary ny fanamafisana ny hery enti-miatrika ny fahasahiranana eo amin’ny lafiny ara-bola, amin’ny alalan’ny fanetsehana ireo loharanom-bola.
Niompana tamin’ny fanaovana tombana ny asa vita nandritra ny dimy taona niasan’ny Loholona ny lahatenin’ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo, nandritra ny famaranana ny Fivoriana ara-potoana faharoan’ny Parlemantera, omaly. Niresaka ny toe-draharaha politika koa ny tenany. Fotoana izay nanambarany fa sehatry ny demokrasia ny Sénat, ary fanaovana adihevitra politika. Tokony hitodika mankany amin’ny fampandrosoana kosa anefa izany. Tsara ho fantatra fa nandritra io dimy taona io, nahatratra 195 ireo volavolan-dalàna no nolanian’ny Sénat, ary 75 ireo fanintsiana nentina.



