PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
NAINA ANDRIANTSITOHAINA: Tonga hatramin’ny fifofoana ny ainy
Ny fitaratry ny fiara izay « blindé » na irony tsy laitram-bala irony no nanavotra ny ain’ny Ben’ny tanàna sy ireo niaraka taminy tao anaty fiara omaly teo anatrehan’ny tifitra nataon’ireo roa lahy teny amin’ny manodidina an’Ambatobe. Efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, araka ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina. Mametra-panontaniana ny maro kosa ny hoe misy hifandraisany amin'ny fifandirana misy eo aminy sy ny tompona gazety mpiseho isan'andro iray eto an-drenivohitra ve izao fifofoana ny ainy izao ?
Hoy ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina teo amin’ny Pejy Facebook-ny omaly maraina tokony ho tamin’ny 11ora atoandro : « Amin’ny alahelo no ilazana amintsika ny zava-niseho izao maraina izao : nisy olon-dratsy nifofo ny aiko. Lehilahy 2 teo ambonin’ny scooter mainty no nanatona ka nitifitra ny fiarako raha nanao fitsidihana ny Tanàna toy ny mahazatra aho isaky ny alahady. Tsy nisy ny aina nafoy ary salama tsara aho sy ny namako niaraka tamiko. Nitsoaka moa ry zareo fa efa misokatra ny fanadihadiana ». Araka izany, avy hatrany dia niparitaka nameno ny tambajotran-tserasera ity vaovao ity. Tsy mbola naharaisana fanampim-panazavana kosa hatreto ny eo anivon’ny fianakaviana. Tsy mbola namoaka fanambarana ofisialy ihany koa ny Polisim-pirenena izay voalaza fa misahana ny raharaha. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa teny amin’ny manodidina ny “Le Panoramique” eny Ambatobe no nisehoan’ny fitifirana.
Araka ny hita tamin’ny sary navoakan’ny Ben’ny tanàna, dia ny fitaratra tsy laitram-bala no nanavotra azy ireo tamin’ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy.
Misy hifandraisany amin’ilay ady an-gazety ve ?
“Na inona na inona tsy fitovian-kevitra, na inona na inona firehana tsy mitovy, tsy azo ekena ary melohina ny fifofona aina sy ny herisetra”, hoy ny teny niraisan’ireo naneho hevitra rehetra omaly teo anatrehan’ity tranga nahazo ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina ity. Hatreto, tsy mbola misy afaka milaza izay mety ho antony nahatonga izao fikasan-dratsy izao. Ny mampametra-panontaniana ny maro kosa dia hoe fa maninona tato anatin’ny telo taona naha Ben’ny tanànan’Antananarivo, an’Andriamatoa Naina Andriantsitohaina, no tsy nisy ny tranga tahaka izao, na teo aza ny tsy fitovian-kevitra tamin’ireo mpifanandrina ara-politika isan-tsokajiny? Fa maninona kosa no ao anatin’izao ady an-gazety hifandirany amin’ingahy Lôla Rasoamaharo izao no miseho ny tranga mamohehitra tahaka izao? Ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina, tompon’ny Gazety Taratra sy Les Nouvelles, sy ingahy Lôla Rasoamaharo, tompon’ny “La Gazette de la Grande Île”, izay nampiseho nibaribary ny ady misy eo amin’izy ireo, tamin’ny alalan’ny lahatsoratra an-gazety tato anatin’ny andro maromaro izay. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao, araka izany, raha toa ka tena misy hifandraisany tokoa amin’ny ady misy eo amin’izy ireo izao fifofoana aina izao? Andrasana ny ho tohin’ny raharaha…



