PolitikaSongadim-baovao
NANEHO FIRAHALAHIANA NY FILOHA ROA TONTA…: Matotra sy mafy orina ny fifandraisan’i Madagasikara sy Rwanda
Heni-kaja sy heni-boninahitra tanteraka i Madagasikara nandritra ny fiaraha-misakafo ara-panjakana izay nanasan’ny Filoha Paul Kagame ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ho vahiny manan-kaja ny harivan’ny 7 aogositra 2023 tao amin’ny Kigali Convention Center. Matotra sy mafy orina tokoa ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Rwanda ary ny fifankatiavana eo amin’ny Filoha roa tonta. Nanamafy ny fanohanany ny Filoha Andry Rajoelina ny Filoha Kagame nandritra ny fandraisam-pitenenany. Nambarany fa mpiara-miombona antoka sy eo anilan’i Madagasikara i Rwanda eo amin’ireo asa fampandrosoana ny firenena malagasy.
Mitovy fomba fijery ny Filoha roa tonta dia ny fanoloran-tenan’izy ireo hampandroso ny vahoaka tantaniny sy ny fampiroboroboana ny kaontinanta Afrikana. Nanantitra ny fankasitrahana ny Filoham-pirenena rwandais ny Filoha Andry Rajoelina ary nambarany fa ny fifampizarana ireo traikefa nahombiazan’i Rwanda dia hitondra vokatra mihabo ho an’i Madagasikara
« Zone économique speciale (ZES) »
Omaly maraina, nitsidika ny « Zone économique speciale (ZES) » ao Kigali ny delegasiona malagasy, ary nijery ny fomba fiasan’ny ozina « Africa Improved Foods », izay ao amin’io toerana io ihany. Tsiahivina fa Veliranon’ny Filoha ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanaovana an’i Madagasikara ho maoderna. Ary anatin’ny politika fampiharana izany ny fananganana ZES. Izy ity no lehibe indrindra amin’ireo ZES miisa 10 ao Rwanda. Ny 8 amin’izy ireo dia « Zone industrielle ». Araka ny fanazavan’i Claire Kamanzy, Tale jeneralin’ny Rwanda development board (RDB), dia ny hampiroborobo ny indostria hisarihana mpampiasa vola, hipaka amin’ny fampandrosoana ny firenena no antony nametrahana an’ireo ZES ireo. Ny asan’ny Fitondrana, hoy izy, dia ny mametraka ireo fenitra rehetra ahafahan’ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola miasa, araka ny tokony ho izy, sy hamokatra tsara.
Ny Fanoratana.




