Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
NANKATOAVIN’NY CAF : Mpijery 10 000 no hanatrika ny lalaon’ny Barea sy Bénin
Taorian’ny fitsirahana natao, fantatra fa nahazo ny fankatoavan’ireo teknisianin’ny Kaofederasiona Afrikanin’ny Baolina Kitra na ny CAF ny Kianjan’ny Barea Mahamasina amin’ny fanatanterahana ny lalao hihaonan’ny Barea sy Bénin. Tsy vitan’izany, fa mbola nankatoavin’ny CAF ihany koa ny fahafahan’ny mpijery manatrika io lalao io, ka mpijery miisa hatramin’ny 10 000, noho izany, no afaka hanatrika izany.
Vaovao tsara. Efa takarivan’ny omaly no nisy ny fanambarana nataon’ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Hawel Mamod’Ali. Araka ny fanazavana dia fantatra omaly ihany valin’ny fitsirihana nataon’ny teknisianina avy eo anivon’ny CAF mahakasika ny Kianja Barea. Nambaran’ny Minisitra tomponandraikitra fa tsy vitan’ny fankatoavana fotsiny no azon’i Madagasikara fa fiarahabana manokana ihany koa, noho ny fahazoantsika Kianja manarapenitra sy tsara, dia ny Kianjan’ny Barea Mahamasina. “Sambatra ianareo manana Filoha tia fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra”, hoy ireo solontenan’ny CAF ireo, araka ny tatitry ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Azo atrehina
Tetsy ankilany, taorian’ny fanapahankevitry ny CAF ny tsy fahazoan’ny mpijery manatrika ny lalaon’ny Barea sy Bénin, nisy ny fangatahana manokana nataon’ny Fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena, tany amin’ny CAF ny mba hahazoan’ny Mpijery, hatramin’ny 20 000 isa, hanatrika ity fihaonana ity. Nahazoam-baliny ihany koa izany fangatahana izany, ary fantatra izao fa mpijery hatramin’ny 10 000 isa no ho afaka hanatrika ny lalao rahampitso. Tsy mbola nisy fanampim-panazavana kosa hatreto ny mahakasika ny tapakila fidirana amin’ity lalao rahampitso ity, sy ny lamina rehetra mifandraika amin’izay, izay andrasana anio.
Fitantanan’ny FMF?
Fa mialohan’io fanapahan-kevitry ny CAF io, nisy ny fanambarana navoakan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena omaly, manoloana ireo fihetsika ataon’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Baolina Kitra. Voambara tao anatin’izany fa nanomboka ny taona 2019 dia malagasy an-tapitrisany no niray fo tamin’ny Barea Madagasikara. Tsy ekena noho izany ny fanaovana “takalon’aina” ny baolina kitra ho entina miaro ny tombotsoan’olona iray manokana.
“Niaraha-nahita fa raha tsy nijoro ny Fitondram-panjakana dia tsy nisy zava-banona ny fikarakarana ny Barea Madagasikara niatrika ireo lalao iraisam-pirenena maro. Tsy fandraisana andraikitra, tandrevaka, sakatsakana samihafa, Fikorontanana ara-pitantanana no hita sy tsapa teo anivon’ny fitantanana ny Baolina kitra malagasy”, hoy ny fanambarana. “Hatramin’izao ora izao dia mbola tsy hita faritra mazava ny fanomanana ny lalao sy ny fitaterana ny BAREA amin’ny fihaonana amin’ny Ekipam-pirenena Tanzaniana izay hotanterahina amin’ny 07 septambra 2021 ho avy izao. Melohinay araka izany ireo fihetsika manimba sy manapotika ny baolina kitra izay voalaza etsy ambony ireo”, hoy hatrany ny fanambarana omaly. Ny minisitera tomponandraikitra izay niantso fitoniana amin’ny rehetra ho an’ny tombontsoan’ny Baolina kitra malagasy.




