Songadim-baovaoToekarena
NANOMBOKA NY TAONA 2014: Mitotaly 2.876.056.000 Ariary ny fanampiana nalefan’ny Fanjakana ho an’ny IGM
Nanaitra ny maro ary niteraka adihevitra isankarazany indray ny fanapahankevitra noraisina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra farany teo izay nanafoana ny Institut de Gemmologie de Madagascar (IGM). Nitondra fanazavana ny Minisitra tomponandraikitra, Fidiniavo Ravokatra, omaly, fa tsy nahavelon-tena mihitsy ny IGM hatrizay. Ny taona 2014 hatramin’izao dia mitotaly 2.876.056.000 Ariary ny fanampiana nalefan’ny Fanjakana ho an’ny IGM, ka antony nandraisana ny fanapahan-kevitra.
Nanao tohivakana ny fanehoan-kevitra tao amin’ny tambajotra sosialy ny tontolo andron’ny omaly manoloana ny fanafoanan’ny Fanjakana ny Institut de Gemmologie de Madagascar (IGM), araka ny tapaky ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 28 Aprily 2021. Tsara ho fantatra anefa fa izany fanapahan-kevitra izany dia ho tohin’ny fanapahan-kevitry ny Filankevitry ny Minisitra ny faha-10 Martsa 2021, nankatoavana ny didim-panjakana manangana sy mametraka ny sata mifehy ny Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar. Omaly, nihaona tamin’ireo mpiasa sy niresaka tamin’ireo mpianatra tao amin’ny foiben’ny Institut de Gemmologie de Madagascar, ary nitondra fanazavana momba ity fanapahankevitry ny Fanjakana ny Minisitry ny Harena ankibon’ny tany sy ny Loharanokarena Stratejika Andriamatoa Fidiniavo Ravokatra.
Nambaran’ny Minisitra, araka izany, fa toeram-pampiofanana manana traikefa sy fahaiza-manao avo lenta ny IGM ary nokendrena hitondra tombony manokana ho an’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana vatosoa sy vato sarobidy eto Madagasikara ny nananganana azy. “Tsy arak’izay anefa ny zava-misy ary tsy nahavelon-tena fa niankina hatrany amin’ny fanampiana avy amin’ny Fanjakana foibe izy”, hoy ny fanazavany. Tsara ho fantatra fa nanomboka ny taona 2014 hatramin’izao, mitotaly 2.876.056.000 Ariary ny fanampiana nalefan’ny Fanjakana ho an’ny IGM. Etsy ankilany, miisa 175 monja ireo mpianatra tao amin’ity ivon-toeram-piofanana ity nanomboka ny taona 2004 no ho mankaty. Ny IGM anefa izay hany manana fahaiza-manao sy fahafahana mampiofana experts en gemmologie ahazoana mari-pahaizana iraisam-pirenena avy any Londres aty amin’ny faritra Afrika sy ny Ranomasimbe Indiana. Izany rehetra izany dia maneho fa zary vesatra ho an’ny Fanjakana ny IGM, araka ny fanazavana hatrany.
Natsangana ny « Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar »
Tsy mijanona amin’ny fanafoanana fotsiny, noho izany, no nataon’ny Fanjakana fa mitohy amin’ny fanatsarana ho amin’ny tsaratsara kokoa ity toeram-piofanana ity. “Ny fahatsapan’ny Fitondram-panjakana fa tsy tokony ho toy izao no toerana misy ny IGM manoloana ny lentan’ny fampiofanana atolony, sy ho fanomezana aina vaovao ny lalam-pihariana vatosoa sy vato sarobidy eto Madagasikara no hanokafana sehatra mivelatra kokoa ho an’izany, ka hananganana ny Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar”, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Minisitera tomponandraikitra omaly. Tsara ho fantatra, araka izany, fa ankoatra ny fanohizana sy fanatsarana ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana vatosoa sy vato sarobidy izay niandraiketan’ny IGM teo aloha, ny Bureau de Géologie et de Gemmologie de Madagascar dia hikirakira ihany koa ny antontan-kevitra momba ny “données géologiques” hahafahana mamantatra bebe kokoa ny harena ambanin’ny tany eto Madagasikara.
Manoloana ity fanapahankevitra ity, ireo mpianatra eo anivon’ny IGM teo aloha dia manohy ny fiofanana hatramin’ny farany, fa tsy misy fahatapahany.




