PolitikaSongadim-baovao
NANOME TOKY FA TSY HANAKORONTANA: Neken’ny Fanjakana ny hiverenan’ny fandaharan’ny haino aman-jery miisa 6
Antony voalohany indrindra nampiatoana ireo fandaharana adihevitra politika, araka ny fanapahan-kevitra niraisan’ny Minisitera miisa 5, ny 22 Aprily lasa teo, ny hiantohana ny filaminam-bahoaka amin’izao Hamehana ara-pahasalamana izao. Omaly, nanome toky ireo tomponandraikitra amina Haino aman-jery vitsivitsy nihaona tamin’ny Minisitera fa tsy hamboly korontana sy hanohitohina velively ny filaminam-bahoaka, ka nangataka ny hahafahan’izy ireo mamerina indray ny fandaharan’izy ireo. Fangatahana izay noraisina, ary neken’ny Fanjakana.
Tsy manana eritreritra hanohitohina ny fisitrahana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety mihitsy ny Fitondram-panjakana ankehitriny, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, omaly, fa fepetra ankapobeny fampiharana ny Hamehana ara-pahasalamana na « état d’urgence sanitaire » no noraisina, ny herinandro lasa teo, ka tafiditra ao anatin’izany ny famerana ny karazana fahalalahana sasantsasany, araka ny lalàm-panorenana sy ny lalàna manan-kery eto amin’ny tany sy ny fanjakana.
Taorian’iny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana iny, nisy ny taratasy fangatahana ny famerenana ny fandaharana amin’ny haino aman-jery nataona tomponandraikitra avy amin’ny Haino aman-jery vitsivitsy. Izy ireo izay milaza fa misedra fahasahiranana ny orinasan-tseraseran’izy ireo noho ny krizy ara-pahasalamana, ka miteraka fatiantoka hafa ho azy ireo ny fanajanonana ny fandaharana izay loharanom-bolan’ny orinasa. Teo anatrehan’izany, nisy ny fihaonan-dRamatoa minisitry ny serasera sy ny kolontsaina tamin’ireo tompon’andraikitry ny haino aman-jery voakasik’ilay fanapahan-kevitra niraisan’ny minisitera miisa 5, omaly tolakandro.
Hifanome tanana amin’ny fanentanana
“Ny fandaharana amin’ny haino aman-jerin’izy ireo dia tsy misy fandrangitana hiteraka fanohitohinana ny firaisam-pirenena mihitsy, na hanakorontana filaminam-bahoaka na fiantsoana olona hikomy mihitsy ary mbola nanome toky izy ireo fa tsy hanome vahana izany velively mihitsy amin’ny haino aman-jery izay iandreketany”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisitera omaly. Etsy ankilany kosa dia nanambara ny fahavononany hifanome tanana amin’ny fanentanana amin’izao ady atao amin’ny valan’aretina izao ireo tompon’andraikitra amin’ny haino amanjery ireo, ary resy lahatra fa mila fitoniana ny vahoaka malagasy ao anatin’ny ady amin’ny valan’aretina ka noho izany dia tsy ilaina ny fanakorontanana amin’ny endriny maro samihafa eto amin’ny firenena.
Tsy manana olana ny Fanjakana
Manoloana izany taratasy izany, dia nanaiky ny fangatahan’ireo haino aman-jery ireo ny Minisitera, ary nilaza fa rehefa nifampidinika tamin’ireo minisitra hafa nanao sonia ny fanapahan-kevitra tamin’ny datin’ny alakamisy 22 aprily 2021, dia hisy ny fanapahan-kevitra vaovao izay horaisina hanovana ny teo aloha ary hampitaina amin’izy ireo izany fanapahan-kevitra izany anio. Araka ny fanampim-panazavana avy amin’ny Minisitera hatrany dia tsy manana olana mihitsy ny Fitondram-panjakana rehefa mazava ny toky nomen’ireo tompon’andraikitry ny haino aman-jery voakasika ireo tao anaty taratasy fangatahana, ary mamela malalaka ny hamerenan’izy ireo ny fandaharany. “Ny Minisitera dia tsy mitsabaka velively amin’ny zotra hitondrany izany na ny « ligne éditoriale » eny fa na ireo manakiana sy manohitra ny Fanjakana ankehitriny aza dia malalaka tanteraka amin’ny asa fanaovan-gazety hataon’izy ireo, izay tsy tokony mihoa-pefy fa manaja ny lalàna mifehy ny fifandraisana amin’ny haino vaky jery”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Ny Fanoratana.




