PolitikaSongadim-baovaoToekarena
NAOTY NAVOAKAN’NY “STANDARD & POOR’S (S&P)”: Firenena azon’ny mpampiasa vola vahiny itokisana i Madagasikara
Dingana iray lehibe ho an'i Madagasikara ny fahazoana naoty B-/B nomen’ny Standard & Poor’s (S&P). Ity farany izay sampan-draharaha vahiny iray misehatra amin’ny fikirakirana antontam-baovao sy fanadihadiana momba ny toe-javamisy ara-bolan’ny orinasa iray, na tanàna iray, na ihany koa firenena iray. Hanatsara ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombona antoka Iraisam-pirenena sy ireo mpamatsy vola, amin'ny fanatanterahana ny PEM, ity naoty ity, araka ny fanazavana.
Manamora ny fisokafantsika sy ny fifandraisantsika amin’ny mpampiasa vola vahiny ny naoty azon’i Madagasikara navoakan’ny Standard & Poor’s (S&P). Ny toekarentsika izay miankina betsaka amin’ireo fampiasam-bola vahiny. Antoka amin’ny fihodinan’ny toekarem-pirenena izany, eo koa ny famoronana asa sy ny fampiakarana ny vola miditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Taona anatin’ny taona maro anefa dia narisarisa izay fitokisan’ny mpampiasa vola izay. Ity naoty azontsika ity, noho izany, dia antoka hatokisan’ny mpampiasa vola vahiny ho avy eto Madagasikara indray.
Hahatonga an’i Madagasikara hahazo bebe kokoa ny fatokisan’ny mpamatsy vola ity naoty azontsika ity. Araka ny fampitam-baovao azo avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia hanampy antsika amin’ny fanetsehana ireo karazana famatsiambola tokony hisitrahana izany, indrindra amin’ny fanatanterahana ny drafi-panandratana an’i Madagasikara, na ny “Plan Emergence Madagascar (PEM)”. Tsara tsindriana fa tsy azo ihodivirana ny famatsiam-bola avy any ivelany amin’ny fanatanterahana ireo drafitra ireo. Ny PEM izay vinam-pampandrosoana mikasa hametraka an’i Madagasikara ho isan’ireo firenena mandroso amin’ny taona 2040, tahaka an’i Singapour, Malaisie, Indonésie, Mexique, Pologne sy ny sisa.
Fanovana ara-drafitra sy ady amin’ny kolikoly
B-/B no naoty azon’ny firenena malagasy. Naoty izay mitovitovy, ary tsy latsa-danja amin’ny azon‘ny firenena aty faritra misy antsika aty afrika. Miisa 11 amin’ireo firenena 48 aty Afrika atsimon’i Sahara no aorian’i Madagasikara. Raha ny fanazavana, io naoty io dia mampiseho ny vokatry ny fananan’ny Fitondram-panjakana vina amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialy. Teo koa ny fanovana ara-drafitra natao rehetra tao anatin’izay efa-taona farany izay, indrindra teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana, ny ady amin’ny kolikoly, fitantanam-bolam-panjakana. Tao anatin’ny efa-taona farany isika dia nametraka fomba fiasa vaovao amin’ny famoaham-bolam-panjakana, izay nisorohana ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalana.
Etsy ankilany, isan’ireo firenena nandoa ny trosa tokony haloany hatrany i Madagasikara. Izany hoe, tsy lavina ny mbola maha firenena manana trosa an’i Madagasikara, saingy eo amin’ny antonony izany, ka nahazoana naoty B-/B teo anivon’ny Standard & Poor’s. Ny fifampitokisana eo amin’i Madagasikara sy ireo mpiara-miombona antoka ankehitriny koa nanome rariny an’io naoty azontsika io.
Ny Fanoratana.



