Songadim-baovaoToekarena

« NDAO HIFANOHANA » : Tratra ny tanjona ho fampiroboroboana ny mpandraharaha malagasy madinika

Nandritra ny Hamehana ara-pahasalamana no namolavolan’I Nathalie Ndrianeva tao amin’ny tambazotra sosialy ny “Ndao hifanohana”. Ity farany izay foto-kevitra entina hampahafantarana ireo mpandraharaha malagasy madinika sy ho fanomezan-danja ny fahaiza-manao vita malagasy. Voasarika tamin’ny foto-kevitra ny Orinasa Star ka nitondra ny anjara birikiny ho fanohanana ny foto-kevitra ary nanokatra lalao tao amin’ny pejy fesibokiny « THB Madagascar Officiel ». Ny tanjon’ny lalao dia ny fampahalalana ireo mpandraharaha amin’ny sehatra samihafa sy ny fanohanana ara-pitaovana ny orinasa nosafidian’ny maro. Araka izany, orinasa 382 no voatonona, ary enina kosa no voatanisan’ny besinimaro betsaka indrindra. Tao anatin’izany ny Jos Tech, Goûts Fruités, Société Fara, Anna Creata, Atelier Trio et Jejou Elle. Ho fangaraharana sy ho fanamarinana ny valin’ny lalao dia niantso ny SEL sy ny orinasa « Your Target » ny THB hanaraka ny fangaraharahana sy ny ho fanamarinana ny valin’ny lalao. Noho izany, Jejou Elle no nahazo ny safidin’ny besinimaro tamin’ny isan’ny 13 550 ary nahazo fampitaovana mitentina 10 000 000 ariary, izay narahin’ny Jos Tech isa 11 739.

Fifaninanana sary fankalazana ny faha-50 taonan’ny Eau Vive

Tetsy ankilany,  nahasarika mpifaninana maro ny fifaninanana sary ho fankalazana ny 50 taonan’ny Eau Vive nalefa tamin’ny pejy fesiboky Eau Vive Malagasy. Nahatratra maherin’ny 20 ny isan’ny nandray anjara ary nandefa sary mitondra ny lokon’ny Eau Vive. Teo anatrehan’izany, nampandalovina sivana roa ny fitsarana ireo sary ary 40% ny safidin’ny besinimaro raha 60% kosa no an’ny mpitsara. Nahitana an’i Masy Andriantsoa, Mpanorina ny Ymagoo no sady Filohan’ny UPPM na ny fikambanan’ny mpaka sary matihanina sy i Felana Rajaonarivelo, Sekretera Jeneralin’ny UPPM no sady mpanorina ny Fireflies, endrika roa fanta-daza sy mpaka sary matihanina eo amin’ny sehatra iandraiketany. Nivaly ny lalao ka i Angelo Ravelomanantsoa no nahazo ny laharana voalohany ary nahazo « tapis de course » sy bon d’achat mitentina 500 000 ariary. Ny laharana faharoa dia nahazo « vélo elliptique » sy bon d’achat 500 000 ariary, raha nahazo fialan-tsasatra (week-end) ho an’olon-droa kosa ny laharana faha-telo ary fanomezana rano Eau Vive mandritran’ny herintaona ny laharana fahaefatra miaraka amin’ny bon d’achat 500 000 ariary avy. Ny laharana fahadimy hatramin’ny laharana fahafolo kosa dia nahazo bon d’achat 400 000 ariary avy.

Fermer