Songadim-baovaoSosialy
NIVADIKA RIVODOZA ILAY ANDRO RATSY: Nahazo anarana « Elvis », mitondra oram-baratra ho ana Faritra maro
Raha ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly tamin’ny 03 ora maraina, dia nitombo hery ka lasa rivodoza ary nomena ny anarana hoe « ELVIS » ilay andro ratsy niforona tao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Tany amin’ny manodidina ny 140 Km andrefana somary atsimo andrefan’Itampolo Distrikan’Ampanihy no nisy ny foibeny. 65 Km/ora ny rivotra miaraka aminy tamin’izay, narahina tafiotra 90 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianatsimo andrefana izy ka nahafaka 07 Km/ora. Omaly tamin’ny 09 ora maraina kosa, dia tany amin’ny manodidina ny 142 Km andrefana somary atsimo andrefan’Itampolo Distrikan’Ampanihy no nisy ny foiben’i ELVIS. 65 Km/ora ny rivotra niaraka taminy, ary narahina tafiotra 90 Km/ora manakaiky ny foibeny. Omaly tamin’ny 03 ora tolakandro kosa, fampitam-baovao voaray farany, dia tany amin’ny manodidina ny 145 Km andrefana somary atsimo andrefan’Itampolo Distrikan’Ampanihy no nisy ny foiben’ity rivodoza ity. Niakatra ho 80 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 110 Km/ora manakaiky ny foibeny. Tsy nihetsika firy izy tao anatin’ny 12 ora farany. Marihina fa any an-dranomasina no ahitana ny rivotra mafy miaraka amin’ity rivodoza ity. Na izany aza, tombanana hihena miandalana ny rotsak’orana entiny any amin’ny tapany andrefana sy atsimon’ny Nosy manomboka anio alina. Tsy misy kosa ny filazana loza mahakasika voarain’ireo Faritra sy distrika mahakasika azy, afa-tsy ireo mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Morombe sy Taolagnaro, mba tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza, noho ny fikorontanan’ny toetry ny andro.
Fampitandremana amin’ny fahazoana rotsak’orana be
Omaly tolakandro ihany dia nahazo fampitandremana momba ny fahabetsahan’ny rotsak’orana vokatry ny fisian’i Elvis, ny tany amin’ny tapany atsimo andrefana sy atsimon’ny Nosy, izay 50 ka hatramin’ny 100mm, andrasana ato anatin’ny 24 ora. Raha ny fe-potoana amin’izany dia omaly Alarobia 29 Janoary ka hatramin’ny anio Alakamisy 30 Janoary 2025 maraina, ho an’ny Distrikan’i Morombe sy Ampanihy. Ny fikorontanan’ny asa aman-draharaha andavan’andro, fiandronan’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka, fiakaran’ny renirano ary fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo no mety ho loza aterak’izany. Nahazo fampitandremana miloko mena, na filazana loza mitatao, araka izany, ireo distrika voalaza.
Nangonin’i Stan R.



