PolitikaSongadim-baovao

NIVOAKA NY DIDIM-PANJAKANA MANAIKA NY MPIFIDY…: Raikitra ny fifidianana, voatazona ny datin’ny 09 novambra

Azo ambara ho tapitra omaly adihevitra mahakasika ny hisiana fifidianana na tsia amin’ity taona ity. Nolanian’ny Filankevitry ny Governemanta omaly mantsy, ny Didim-panjakana manaika ny mpifidy handrotsa-bato ny datin’ny 09 novambra ho an’ny fihodinana voalohany, ary ny 20 desambra 2023 ny fihodinana faharoa, araka ny tolo-kevitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana.  

Nolanian’ny Filan-kevitry ny Governemanta omaly Talata 11 jolay 2023 ny didim-panjakana miantso ny mpifidy ho avy hifidy izay ho Filoham-pirenena vaovao ny Alakamisy 09 novambra 2023 ho avy izao, araka ny nambaran’Atoa Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian. Raha misy kosa ny fihodinana faharoa dia hatao ny 20 desambra 2023 izany. Ireo daty ireo dia niainga tamin’ny tolo-kevitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny Ceni. Notsindrian’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta fa firenena tsara tantana, tan-dalàna ary mandala ny demokrasia i Madagasikara. Isika izay tafiditra ao anatin’ireo firenena folo voalohany mandala ny demokrasia aty Afrika, araka ny fanadihadiana. Ny fanatanterahana ny fifidianana, izay dingana demokratika, anefa no hahafahana mihazona izany toerana misy an’i Madagasikara izany, araka ny fanazavana. Mila manaja ny lalàna velona isika, hoy ny Praiminisitra, ka tanjona ny hoe amin’ny Janoary 2024 dia efa mahazo Filoha vaovao i Madagasikara.

Notsindrian’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, omaly, fa Didim-panjakana miisa 5 mifehy ny fifidianana Filohan’ny Repoblika, ho fampihana ny lalàna manan-kery, lalana fehizoro 2018-008 sy 2018-009 tamin’ny 11 mey 2023, no nolanian’ny Filan-kevitry ny Governemanta omaly. Mbola niainga tamin’ny tolo-kevitry ny Ceni avokoa ny fanapahan-kevitra rehetra noraisina mahakasika ireo Didim-panjakana ireo, araka ny fanazavana. Ny tatitry ny Filankevitry ny Governemanta kosa no hanome ny antsipiriany momba izany.

Fepetra hirosoana amin’ny fifidianana

Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly no nisaoran’ny Praiminisitra ny vahoaka malagasy rehetra nitandro ny fitoniana tao anatin’ny efa-taona mahery. Mampirisika ny mpanao politika malagasy koa ny Praiminisitra mba hitandro hatrany ny fihavanana mandritra ny fiatrehana ny zotram-pifidianana.

Hatreto izany, azo ambara ho efa feno ny fepetra hirosoana amin’ny fifidianana. Efa niala ny ahiahy mahakasika ny tetibola ho ampiasain’ny Ceni amin’ny fanatanterahana izany, satria efa nanonona sorabola ho arotsaka ao anatin’ny “Basket fund” ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara, na dia tsy mbola feno tanteraka amitana ny fifidianana aza izany. Nitazona ny tenin’ny Praiminisitra kosa ny Filohan’ny Ceni raha nilaza fa misy fombafomba azo atao amin’ny fitantanam-bolam-panjakana raha toa ka misy filàna ara-bola fanampiny ilaina amin’ny fanatanterahana ny fifidianana. Etsy ankilany, efa tsikaritra ho mihetsiketsika daholo ireo etamazaoro politika rehetra, ary maro ireo efa nitaky tamin’ny Governemanta ny hamoahana io datim-pifidianana io. Nanapa-kevitra namoaka izany omaly ny Governemanta.

Fermer