
Songadim-baovaoSosialy
NJARA MPANDIHY AN’NY « MAF’B » : Hanohana azy amin’ny fitsaboana ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy
Raha mbola nanonofy sy nanangana hoavy mamirapiratra amin’ny maha mpandihy matihanina azy i Njara, tovolahy natanjaka sy feno fahavononana, dia niseho tampoka taminy ny zava-nitranga nanova tanteraka ny fiainany. Nianjera izy, ary tampoka teo dia very hery ny tongony roa.
Maro no ny zava-niova taorian’io tranga io, anisan’izany ny fiainany manokana sy ny asa fivelomany. Tovolahy niavaka i Njara, anisan’ireo mpandihy voafantina tao amin’ny « MaF’B » na « Malagasy Folkloric Band », tarika nasionaly mpandihy sy mpihira niforona tamin’ny vanim-potoana nitantanan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ity tropy ity dia anisan’ny zava-bita reharehan’ny firenena satria sambany no nanana ekipa nasionaly manam-pahaizana amin’ny zavakanto amin’ny endrika iraisam-pirenena.
Nahatohina olona maro ny fahalasanan’ny herin’i Njara, indrindra ireo efa nahita azy an-tsehatra sy nahafantatra ny fahaizany. Raha ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olom-pantany, dia tovolahy tena manan-talenta izy ary azo lazaina ho fanilo ho an’ny mpandihy tanora Malagasy.
Na dia sarotra aza ny ady atrehiny amin’ny fitsaboana, dia velona indray ny fanantenana noho ny fanampiana ataon’ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy mahasika ny fitsaboana ho atrehany. Efa misy fivoarana hita eo amin’ny fahasalaman’i Njara, na dia miadana aza. Mila faharetana sy ezaka mitohy anefa ny fizotry ny fanarenana, ary tsy maintsy atao tsy tapaka ny fitsaboana mba hahazoana vokatra tsara.
Ankoatra izany, dia maro ireo olona tsara sitrapo no tonga nanolo-tanana sy nanampy azy. Raha tsy noho ny fitiavan’izy ireo, dia ho sahirana lavitra i Njara amin’izao fisedrana lalovany izao. Ireo mpiara-monina sy namana akaiky dia nanolo-tena hampiantrano sy hikarakara azy, ka mendrika isaorana sy hajaina amin’ny fitiavan’izy ireo namelatra tanana ho an’ny namana tra-pahavoazana, hoy ny fanehoan-kevitry ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy. Manoloana izany rehetra izany, dia tsy maintsy tohizana ny fitsaboana, satria mbola misy fanantenana. Tsy hadino ihany koa ny fanentanana amin’ny fanaovana asa sosialy sy fanohanana ireo mpanakanto tra-pahavoazana, mba ho afaka hiverina indray amin’ny sehatra nampisongadina azy ny toa an’i Njara.
Njaratiana.




