Songadim-baovaoSosialy

« NOELIN’NY FITIA » : Marevaka ny zaridainan’ Ambohijatovo, misokatra ho an’ny daholobe

Nosokafan’ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ny fomba miavaka, omaly hariva tamin’ny 7 ora ny « Noelin’ny Fitia », izay novaina tetsy amin’ny Zaridainan’Ambohijatovo izany, raha tetsy Antaninarenina sy Ambohijatovo no nahazatra isan-taona. Nambaran’ny Filoha fa nanamarika ny fotoana omaly ny fampirehetana ireo jiro, izay fotoan’ny fampizarana, sy fanantenana ary fotoan’ny fandresena koa. Satria ny fankalazana ny Noely dia fankalazana ny nahaterahan’ny Tompo Tsitoha, raha ny fanazavany. « Ny krisimasy dia fotoana hanokafana ny fontsika izarana fitiavana. Eo koa ny fanomezana ny tsara indrindra any amintsika tsirairay avy. Rehefa mifampizara, dia maneho fitiavana izany. Rehefa mizara fitiavana, dia mizara hazavana any am-pon’ny tsirairay avy. Noho izany, ny jiro maroloko hita etsy Ambohijatovo, dia manamarika ny Noely na krisimasy, izay manokana ny fiainantsika amin’ny fifankatiavana sy amin’ny firaisan-kina, indrindra ny fanaovan-tsoa amin’ny manodidina », hoy izy. Antony nisafidianana ny lohahevitra hoe : « Noelin’ny fitia » satria ny fitiavana no mampiray. Ny fitia no manome antsika ny fanantenana mamirapiratra ho an’ny fiainantsika tsirairay avy.
Hahazo jiro tahaka ny eo Ambohijatovo…
Nasongadiny fa na ao anatin’ny fahasahiranana aza, dia mendrika ny hankalaza ny krisimasy toy ny firenena manerantany. Nampitain’ny Filoha fa manerana ny Nosy, indrindra ho an’ny an-tanàn-dehibe, dia nandefasana jiro tahaka ny hita eo amin’ny Zaridainan’Ambohijatovo. Mendrika ny hankalaza tahaka izany koa ny mponina rehetra manerana ny Faritra. Hisy tantara miavaka eo amin’ireo toerana diavina araka ny nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina. Nampitainy fa ireo ankizy dia tsy mandoa vidim-pidirana fa ireo lehibe ihany no mandoa vola 500 Ar. Naharitra hatramin’ny 10 ora alina ny Filoha nifampizara fifaliana sy fitiavana tamin’ireo vahoaka tonga nanoina ny antso, ka ireo ankizy tonga rehetra dia nahazo kilalao, sy sokolà avokoa. Tsy nohadinoin’ny Filoha Andry Rajoelina ny nirary ny Noely sy ny krisimasy sambatra ho an’ny vahoaka malagasy. Tiana ny manamarika fa vahoaka marobe no tonga omaly, izay tonga hatrany anaty tonelina ny filaharan’ireo olona naniry hiditra tao Ambohijatovo halina.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer