Songadim-baovaoSosialy

« NOELIN’NY FITIA » : Seho miavaka hotanterahina eo amin’ny Zaridaina Ambohijatovo

Niova ny toerana fandraisana ny « Jiro » raha etsy Ambohitsorohitra hatrany no nahavantana ny maro hatramin’izay. « Noelin’ny Fitia » natao manokana eo amin’ny Zaridainan’Ambohijatovo, izay fiaraha-miasa miaraka amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Filoham-pirenena mivady. Nosafidina manokana ny eo Ambohijatovo satria eo no afovoany sy malalaka ary miavaka amin’ny mahazatra. « Noelin’ny Fitia » natao ifampizarana ny fitiavana sy firaisan-kina, ampisehoana ny fiarahamonina mahafinaritra ho an’i Madagasikara iray manontolo fa tsy ho an’Antananarivo irery ihany, araka ny fanazavan’i Elia Ravelonjato, Talen’ny Hetsika eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Ny zoma 20 desambra izao no fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny toerana, manomboka amin’ny 7 ora hariva ka hatramin’ny 10 ora alina. Ny vidim-pidirana tsy miova fa 500 Ar. Entanina, araka izany, ny tsirairay mba hanaraka ny fandaminana avy amin’ny mpitandro filaminana, hapetraka mandritra ny fotoana. Ankoatra ireo, hisy seho miavaka koa hotontosaina ao amin’ny kianja Masoandro ao anatin’ny Rovan’i Madagasikara ny 21, 22, 23, 24 desambra ho avy izao. Manomboka amin’ny 7 ora hariva ary ho azon’ny besinimaro hatrehana, amin’ny alalan’ny fifidianana ny tapakila mialoha ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer